Dossier

Fampitana mivantana ny « Mondial 2018 » Mila vola be an-jatony miliara ariary


  • Talata 19 Jona 2018

Mianoka ao anatin`ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2018” tanterahana any Rosia izao tontolo izao ka anisan`izany koa ny Malagasy.

Maro anefa no mitaraina satria toa zary natokana ho an`ny manan-katao ny fijerena baolina kitra satria voafetra ny lalao azon`ny haino aman-jery panjakana alefa mivantana. Mpandraharaha eo amin`ny tontolon`ny haino aman-jery  miisa 5 no nofidiana ho amin'ny fampielezana ireo fifaninanana iraisam-pirenena eto Afrika, anisan'izany ny fiadiana ny Amboara Eran-tany 2018. Tsy mahazo anjara amin`izany ny haino aman-jery panjakana na dia nandray anjara tamin`ny antso nataon`ny FIFA aza ny UAR na Union Africaine de radio diffusion aza. Ny FIFA dia namoaka ny lisitr'ireo mpandraharaha dimy, mpandrindra tsy miankina maro, nofantenana tamin'ny faran'ny fiantsoana ho an'ny tolotra notontosain'ny Federasiona ary mandrakotra ny faritra 42 manerana an`i Afrika: Econet Media, Supersport, SABC, Startimes ary CANAL +. Marihana fa tsy eto Afrika irery ihany no sahirana amin`io fampitàna mivantana ny “Mondial 2018” io. Ho an`ny TF1 manokana, nandany hatramin`ny 60 tapitrisa Euros na 233,9 miliara ariary ny orinasa amin`ny fahazoan-dalana kanefa amin'ny lalao 64 ao anatin'ny fifaninanana, 28 fotsiny no azo arahina. Tsara ny manamarika fa azo atao tsara ny mandefa mivantana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin`ny taona 2022 raha miomana tsara dieny izao ny fanjakana. Antenaina fa amin`izany fifaninanana izany dia hahazo anjara feno amin’izay ny Malagasy tsy an-kanavaka fa tsy ampilendalendaina amina paikadim-barotra miendrika famitahana foana.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT