« Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny paik’ady hampitomboana ny tahan’ny mpizahatany hitsidika an’i Madagasikara isika izao », hoy ny nambaran’ny minisitry ny fizahantany, Joel Randriamandrato.
Nisy ny fampahafantarana ny fampiasana teknolojia vaovao « the real Madagascar » omaly tetsy Anosy. Tao anatin’ny dimy hatramin’ny enim-bolana no namolavolana io rindran-kajy fampiasa amin’ny finday (application) io, izay hampiroboroboana sy hanatsarana ny sehatra fizahantany. Ireo rehetra mety ilain’ny mpizahatany amin’ny fandalovana eto Madagasikara dia ho hita amin’ity application ity avokoa toy ny banky, ny hotely rehetra, ny biraon’ny zandarimaria , ny mpivarotra, ny dokotera akaiky indrindra. Nanambara ihany koa ny tompon’andraikitra namolavola ny rindrankajy fa efa maherin’ny 80% ireo mpizahatany manomana ny fialan-tsasany amin’ny alalan’ny fampiasana internet amin’izao fotoana izao. Rariny, hoy izy raha miditra amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta sy vaovao amin’izay i Madagasikara. Ho an’ny ao amin’ny Nosy Maorisy sy La Réunion fotsiny izao dia efa zary fomba fanao ny fampiasan’ireo mpitsidika sy mpizahatany any an-toerana ny rindrankajy mampahafantatra ireo toerana mampiavaka sy ny vakoka tokony hotsidihina ary ireo hafa mampalaza ny firenena. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola manahirana ho an’ireo vahiny ny mikaroka ny mombamomba ny Nosy ka izany no antony tsy maintsy nirosoana tamin’ny fampiasana ity rindrankajy amin’ny finday ity. Amin’izao fotoana izao dia efa amin’ny alalan’ny internet avokoa ny 50% ny famandrian-toerana ataon’ny mpizahatany amin’ny firenena iray ka ilaina ny fananana application avo lenta sahala amin’itony. Mbola maro ireo ezaka miandry, hoy hatrany ny teo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany ahafahana mampiroborobo azy io eto Madagasikara mba hahatrarana ny tanjona hampiditra mpitsidika 500 000 hatramin’ny taona 2023.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.