Dossier

Fampiroboroboana ny sehatra fizahan-tany Handresy lahatra any Berlin i Madagasikara


  • Talata 05 Martsa 2019

Handray anjara amin’ilay fampirantiana goavana maneran-tany momba ny fizahan-tany hotanterahina ny 6 hatramin’ny 10 martsa ho avy izao any Berlin Alemana (ITB) i Madagasikara. Delegasiona mafonja no hiainga eto izay ahitana ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahan-tany eto Madagasikara (ONTM) miaraka amin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahan-tany eto an-toerana.

 

 

 

 Tanjona ny hampahafantarana hatrany ny maha-izy azy an’i Madagasikara amin’ny sehatra fizahan-tany ary indrindra ny hanamafisana sy hampahalalana ny fisian’ireo sidina mampifandray amin’ny Alemana. Tranoeva 50m² no hifandrombonan’ny ONTM sy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahan-tany tahaka ny Air Madagascar/Air Austral, Gassy Tours, Voyages Bourdon, Le Louvre Hotel et Spa, le Musée Raketamanga amin’io fampiratiana io. Ity ITB Berlin ity ihany koa dia no hahafahan’ny firenena Malagasy mijery ny tokony ho fironana vaovao amin’ny asa manodidina ny fizahan-tany. 180 ny firenena hampiranty ny maha izy azy ao ary hiezaka hifandresy lahatra ireo. 180 000 kosa ny mpitsidika handrasana ary saika efa matihanina avokoa no handray anjara amin’io hetsika fampiratiana lehibe io.

Tsirinasolo

 

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT