Dossier

Fampiroboroboana ny fizahantany Vahiny 800 000 isan-taona no tanjona


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 septambra 2019 teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany amin’ny atrikasa iraisam-pirenena ho an’ny famatsiam-bola ho an'ny fizahantany sy ny fitaterana na ny “Wave Madagascar”,

 ka nanokatra izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Navoitra fa laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahantany noho izy mipaka mivantana amin’ny fitomboan’ny toekarena sy toe-piainanan’ny vahoaka. Tanjona ny hahatratra mpizahatany miisa eo amin’ny 800 000 isan-taona, izay hampitombo ny famoronana asa, ny vola miditra azo avy amin’ny fizahantany ary ny harin-karena faobe. Kendrena hampiditra vola hatrany amin’ny 1 miliara dolara ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany.  Ny 2018 dia 290 000 no tonga nefa 500 000 no tanjona. Nasongadina ary fa manamarika ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra amin’ireo mpampiasa vola ary hanome sehatra hifanakalozana sy hihaonan’ireo mpandray anjara ao anatin’ny sehatry ny fizahantany io hetsika io. Nanamafy ny filoham-pirenena fa efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, ny fampiasam-bola ary ny fametrahana rafi-dalàna miorina amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanamorana ny fampandehanan-draharaha. Haharitra hatramin’ny 20 septambra ity Wave Madagascar andiany voalohany ity. Ny andro roa voalohany dia hiompana amin’ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahantany sy fandraharahana ary ny roa andro farany kosa dia hiompana amin’ny fidinana ifotony ataon’ireo mpandray anjara mba hahafahan’izy ireo mijery mivantana ireo toerana hiantsoana ireo mpampiasa vola.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT