Dossier

Fampiroboroboana ny fizahantany Ilaina ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Nisy omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa sy ny famaranana ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary ny fikambanana CS2PCTHR.

 

 Hampandroso ny sehatra fizahantany ary hanatsara ny tontolon’ny asa ny fanofanana natao mba ho tojo izay tena takian’ny tsenan’ny asa ireo olona nisitraka izany. Nanambara ihany koa ny minisitra Rahantasoa Lydia Aimée fa fanatanterahana ny politika nasionalin’ny fananana asa sy fanatsarana ny kalitaon’ny mpiasa efa misehatra amin’izany no tanjona. Nofidina manokana ny ivontoerana fanofanana any Foulpointe mba ho filamatra ary efa tena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Hitondra vokatra be ny amin’ny fampiroboroboana ny sehatra fizahantany izany satria tsy misalasala ny vahiny rehefa hitany manara-penitra ny toerana hivanianany, indrindra ny fandraisan’ny mpiasa azy. Ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fanabeazana sy ny siansa ary ny kolontsaina UNESCO no mpiara-miombon’antoka tamin’ity fiaraha-miasa ity. Tanjona, hoy ny solontenan’ ny UNESCO ny hanamorana ho an’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny amin’ny filan’ny asa, indrindra ny fametrahana izay fenitra iraisam-pirenena izay mba ho tombony ara-toekarena.

Tsirinasolo


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT