Nampahafantarina tetsy amin’ny efitranon’ny filohan’ny oniversite omaly alatsinainy 3 septambra ny fisian’ny Salon de la Recherche au service de l’économie et de l’emploi andiany fahefatra.
Hotanterahina etsy amin’ny Esplanade Ankatso ny fampirantiana ny voka-pikarohana nataon’ny mpampianatra sy mpianatra mpikaroka ny alakamisy 6 sy zoma 7 septambra ho avy izao. Fiaraha-miasa izay tohanan’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) ary niarahan’ny Anjerimanontolo, ny fikambanan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM), ny fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) namolavola ity fampirantiana hatao ity. Tanjona ny fiaraha-mientana hisian’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny mpandraharaha sy ny mpampianatra ary ny mpianatra mpikaroka mba hisitraka ny voka-pikarohana ny vahoaka Malagasy, indrindra ireo tanora. Izany mantsy no ahafahana manome asa sy mamoron’asa ary mahatonga ny fananganan’ny tanora ny orinasany. Ankoatra ny mpampianatra sy mpianatra dia hanome ny voka-pikarohana ihany koa ireo mpandraharaha hampiroboroboana ny orinasany. Hampiavaka ity andiany fahefatra ity ny hisian’ny fampiofanana manokana hatao ho an’ny asa fandraharahana. Ankoatra izay, ezahina ny fampandrosoana ny fikarohana izay hita ho mbola vitsy eto Madagasikara kanefa antoky ny fatanjahan’ny firenena. Azo ampiasaina sy amidy hivadika vola mantsy ny fikarohana ary misy akony amin’ny harinkarena sy ny toekarena izany, indrindra rehefa mahazo ny tsena iraisam-pirenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.