Notoloran’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka mari-pahavitana fiofanana tetsy amin’ny tranombokim-pirenena ireo mpiofana mpanao asa tanana miisa 151 avy etsy amin’ny Ivontoeram-pirenen’ny Asa tanana Malagasy (CENAM).
Nanambara ny minisitra Johasy Raharisoa Eléonore fa hitondra asa sahady ny fiofanana satria na ireo mpiofana hamorona ka handraharaha ho azy manokana na izy ireo hisehatra sy amin’ny orinasa. Ilaina ny fanatsarana ny kalitao sy ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena, hoy izy, antony nanaovana ny fampiofanana. Nisy ihany koa 20 mianadahy avy any Mantasoa ary 16 avy amin’ny faritr’i Melaky notolorana mari-pahavitan’ny fiofanana. Hizaka tena sy hamelon-tena izy ireo amin’ny alalan’ny traikefa azony. Maro ny karazam-piofanana nolalovana tao tahaka ny rary, tenona, zaitra, asa sy vato. Olana hatrany ny fahavitsian’ny Malagasy hanjifa ny “Vita Gasy” ka nanaovan’ireo mpanao asa tanana antso avo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.