Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.
Miara-miombon’antoka amin’ny Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa na ny FMFP ny Base Toliara ka misy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fandaharanasa maromaro hotanterahina. Anisan’izany ity fampiofanana ho an’ny tanora avy ao Toliara ity. Hatreto dia efa misy 500 eo ho eo ireo olona efa nahazo fiofanana ary mahatratra 1 tapitrisa dolara ny tetibola natokan’ny Base Toliara hanatanterahana ireo fandaharanasam-piofanana samihafa ireo. Amin’ity indray mitoraka ity dia tena hifameno ny fianarana teorika sy ny fampiharana hataon’ireo mpianatra eo anivon’ny orinasa Base Titanium, rantsan’ny vondrona Base Ressources ao Kenya manatanteraka asam-pitrandrahana fasika mineraly toy ny eto Madagasikara. Hahazo ny maripahaizana manankery iraisam-pirenena avy amin’ny ivontoeram-pampiofanana nasilonaly momba ny Indostria (NITA) ao Kenya ireo tanora 25 ireo aorian’ny fiofanana ary homen’ny Base Toliara tolotrasa mifanentana amin’ny fiofanana nataony vao tafaverina eto Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.