Dossier

Fampiofanana arak’asa Fototra ijoroan’ny fampandrosoana


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Nisy ny atrikasa nanadihadiana momba ireo ivontoerana fampiofanana arak’asa amin’ireo sehatra 5 lehibe nataon’ny Tahiry Famatsiam-bola ho Fampiofanana ny mpiasa (FMFP).

Amin’izao fotoana dia nanambara ny tompon’andraikitra fa maro ny tanora mivoaka amin’ny anjerimanontolo no tsy miasa satria tsy mifanaraka amin’ny zavatra iandrasan’ny orinasa mihitsy ny fiofanana narahina. Etsy an-daniny, 3,2% monja amin’ireo tanora miasa eto Madagasikara no mba mahazo fanofanana arak’asa. Ny sehatra fizahantany, ny fananganan-trano (BTP), ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny teknolojia vaovao (TIC) ary ny lamba (textile) no voakasika  tamin’izao atrikasa fampiroboroboana ny fanofanana arak’asa  izay vatsian’ny fandaharan’asa PROCOM avy amin’ny Vondrona Eoropeanina izao. Betsaka ireo sehatra tena mbola ilàna fampiofanana arak’asa ary ny ankamaroan’ny orinasa mba manatanteraka fampiofanana dia ao aminy ihany no tanterahina fa tsy mba maka mpanofana arak’asa matihanina.  Mbola mila ezaka be ny fampivoarana izany sy ny resaka kalitaon’ny fiofanana. Tanjon’ny FMPF ny hampiakatra ny kalitao, indrindra ny amin’ireo sehatra lehibe manainga toekarena ireo. Nivoitra tamin’ity atrikasa ity ihany koa ny famolavolana ireo karazam-piofanana tena ilain’ny olona miasa eny anivon’ny orinasa tsirairay na ireo mpandraharaha. Tokony hohamafisina bebe kokoa ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera miandraikitra ny fanofanana arak’asa sy ny sehatra tsy miankina izay tena mila an’io fampiofanana io, hoy ny ankamaroan’ny mpandray anjara satria miainga amin’izany ny fampivoarana sy fampandrosoana ny orinasa

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT