Dossier

Fampindramam-bola madinika Efa manomboka mampijaly mpanjifa


  • Zoma 04 Janoary 2019

Nanomboka ny taona 2008 no niroborobo fatratra ny sehatra fampindramam-bola madinika (microfinance) teto Madagasikara.

 

 4%-n’ny tokantrano Malagasy ihany no mahafeno ny fepetra ka afaka miditra sy mifampiraharaha amin’ireny Banky lehibe ireny, antony ijoroan’ny sehatra mpampindram-bola ho an’ny asa madinika. Ny fahamoran’ny fikarakarana ny taratasy sy ny antoka takiana no manintona ny mpanjifa hanao findramam-bola ao. Ny fananana entana ao an-tokantrano fotsiny, ohatra, dia ahafahana mindrana vola ary tsy voatery ho tany sy trano no atao antoka. Mikaikaika anefa ny mpanjifa amin’izao satria tena lasa ela ny fikarakarana ny fampindramam-bola. Tsy fantatra na ny fitomboan’ireo mpanjifa na ireo mpiasa mihitsy no medasy votsa amin’ny fandraisan’andraikitra fa hita taratra ny fahasosoran’ireo mpanjifa amin’ireny toerana findramam-bola madinika ireny. Tsy arakaraka ny zavatra lazaina amin’ny dokambarotra, hoy hatrany ireo mpanjifa ny zava-miseho fa tena ela loatra ny fikarakarana. Nisy tamin’izy ireo mantsy no te-hampiasa vola tamin’ny andro fety teo kanefa izao vao nivaly ny fangatahany. Tsy hita intsony ny ampiasaina azy satria efa maina ny tsena ny volana janoary. Etsy an-daniny dia hentitra kosa anefa ireo mpampindram-bola madinika ireo ny amin’ny lafiny famerenam-bola ary tena tsy mitsitsy izy ireo satria alainy hatramin’ny antoka rehefa misy ny fahatarana be loatra amin’ny fandoavam-bola isam-bolana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT