Nitondra fampahafantarana mahakasika ireo fandraisana fepetra fiarovana mahakasika ny vokatra Malagasy amin’ireo fifanakalozana ara-barotra ny rafitra mpanao fanadihadiana momba ny lalàn’ny fifaninanana ara-barotra (ANMCC) omaly tetsy amin’ny foibeny Antanimena.
Tsiahivina fa vokatra 3 no nanaovan’ny ANMCC fanadihadiana tamin’ny taon-dasa dia ny paty fihinana, ny bodofotsy fanafatra ary ny vovo-tsavony. Amin’ity taona vaovao ity kosa dia misy vokatra 3 vaovao nanaovana fanadihadiana hiarovana ny Indostria Malagasy dia ny menaka fampiasa amin’ny milina, ny menaka sakafo ary ny savony vaingany izay handraisana fepetra fiarovana. Ankoatra izay dia efa nahafahana namaha olana ihany koa ny fanadihadiana natao tamin’ny orinasa Socolait. Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana ireo vokatra ireo ary efa maro sahady ny orinasa nandraisana fanapahan-kevitra. Ho an’ny fanafarana ny menaka fampiasa amin’ny milina dia 19% ny tataon-ketra eo amin’ny fanafarana azy. 34% kosa ny fanafarana savony ary 21% ny fanafarana ny menaka sakafo. Ankoatra izay, tratran’ny fepetra “anti-dumping” ny avy any Malezia ary misy ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fanondranana rononomandry mankaty izay nanaovana tataon-ketra 38%.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.