Mandritra ny 2 andro ny seminera iarahana amin’ny CREDAF na ny Cercle de Reflexion et d’Echange des Dirigeants des Administrations Fiscales izay nanomboka omaly teny amin’ny Hotely Colbert
Antaninarenina. Sehatra iray ahafahan’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny CREDAF mifanakalo traikefa amin’ny resaka fanentanana ny olona handoa hetra ity seminera ity ary tombony ho an’i Madagasikara mpampiantrano. Ny 2.5%-n’ny orinasa lehibe ary 5% ny sampandraharaham-paritra misahana ny hetra ihany fara faharatsiny no ahitana tsy fandoavan-ketra. Hapetraka manomboka izao ny label fiscal hitsinjarana ireo orinasa isan’ambaratongany ka izay tafiditra ao anatin’ny faritra mena dia ho tratran’ny fisavana avy hatrany. Tsiahivina fa ny hetra no mampiditra vola betsaka indrindra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ary rariny raha mandray ny fanapahan-kevitra maro mahakasika ny fampidiran-ketra ny sampandraharaha rehetra misehatra amin’izany hoy ny Tale Jeneralin’ny Hetra, Atoa Germain. Tanjona hapetraka ho amin’ity taona ity, hoy izy ny hampidirana 3 173 miliara Ariary kanefa mbola tsy tratra izany hatreto ary maro ny ezaka tsy maintsy hiantsorohana hanatrarana izany. Efa nisy hatrany ny fanentanana ny olona handoa hetra ary tsy maintsy hamafisina hatrany. Tsy maintsy ezahana tazomina ireo orinasa lehibe mpandoa hetra sy ny any amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny hetra ireo araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny hetra nandritra ny fanokafakana ity atrikasan’ny tompon’andraikitry ny fitsirihana ara-ketra ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.