Nisy ny fanamby napetraka tamin’ny fanaovana ny fanaraha-maso “contrôle à posteriori” teo amin’ny fadin-tseranana ka nanambaran’ny Tale Jeneraly,
Narivony Rabenja Eric fa tratra ny fetra napetraka ary nahafahana nampiditra 36 miliara Ariary izany hatramin’izao. Tratra hoy izy ny 99%-n’ny fampidiran-ketra tamin’ny fadin-tseranana raha jerena ny lalàna momba tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2018 (LFR 2018). Nanambara ny tenany tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly fa mety hihoatra ny tombana tamin’ny LFR mihitsy no hampidirin’ny fadin-tseranana amin’ity faran’ny taona ity. Raha momba ny volavolan-dalàn’ny teti-bolam-panjakana 2019 indray dia nilaza ny tenany fa tsy misy hetra vaovao ary tsy misy fiakarana hetra. Fifanarahana amin’ireo firenena hafa aza no misy ka mety hampihena hatrany ny taha. Na dia izany aza dia misy ny fanamboarana madinidinika hanamafisana ny fomba fiasan’ny fadin-tseranana. Tsiahivina moa fa 2300 miliara ariary ny tanjon’ny fampidiran-ketran’ny fadin-tseranana tamin’ity taona 2018 ity. Raha izay 99% efa tafiditra izay izany dia mety hihoatra hatrany amin’ny 80 na 100 miliara Ariary mihitsy izany amin’ny fiafaran’ny taona.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.