Nisy ny fihaonana niarahan’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa (groupements) tetsy amin’ny DGE (Direction des Grandes Entreprises) Amparibe.
Fiaraha-mivory mahakasika ny fanamarinana ara-ketra no natao tamin’ireo orinasa. Tsiahivina mantsy fa misy amin’izao fotoana izao ny fanitsiana ara-ketra (redressement fiscal) ho an’ny taom-piasana 2016 izay natao tamin’ireo orinasa izay tsy mitovy fanambarana ara-ketra amin’ny antontam-baovao sy ny tarehimarika eo am-pelatanan’ny DGI. Nisy ny fanakianana tamin’io fanitsiana ara-ketra natao io ka hitadiavam-bahaolana sy niarahana niady hevitra tamin’ireo solontenan’ny vondron’orinasa misy eto Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny fampidiran-ketra satria mahatratra 4029 Miliara Ariary no hotratrarina amin’ity taona ity araka ny Lalànan’ny Tetibola (LFI 2020) raha 3173 Miliara Ariary no tratra tamin’ny taona 2019. Nanambara ny Tale jeneralin’ny Hetra, Atoa Germain fa ireo olona sy orinasa nahitana tsy fitoviana tamin’ny fanambarana ara-ketra nataony sy ny tarehimarika ananan’ny DGI ihany no tratran’ny fanitsiana. Fomba ara-tsiantifika no natao, hoy izy ary tsy nijerena tavan’olona mihitsy ka mahazo fanitsiana ireo nahitana tsy fitoviana goavana. Voakasika daholo na ireo orinasan’olon-tsotra na orinasa madinika sy salantsalany ary ireo orinasa lehibe. Mbola ho avy ihany koa hoy izy ny hijerena mahakasika izany ho an’ny taona 2017 sy 2018. Efa azon’ny orinasa atao sahady manomboka izao ny mandoa ny hetra ho an’ny taona 2017 sy 2018 ary tsy hasiana sazy (amendes fiscales). Amin’ity fanitsiana ara-ketra ity moa dia manana zo hamaly mandritra ny 1 volana ireo voakasika ary afaka mangataka ny tarehimarika rehetra nahazoana ny vokatra eny amin’ny DGI. Nanamafy ihany koa ny Talen’ny hetra fa tsy voatery ho nanao hosoka avokoa ireo tratran’ny fanitsiana fa mety nisy ny fanadinoana (omission) na ny finiavana handoa hetra ambany (minoration).
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.