Tena mafy loatra ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, hoy ny tambajotra miady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana (MCI) sy ny fikambanana RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny sabotsy teo teny Soarano.
Ankoatra ny fiakaran’ny vidin-tsolika ho 50 Ar isaky ny litatra indray mantsy dia nahitana fiakarany daholo ihany koa ny vidin’entana eny an-tsena toy ny fotsimbary… hany ka lasa indray mandeha isan’andro sisa ny tokantrano Malagasy no mihinan-kanina. Tsy maintsy handraisana fepetra izany, hoy Rabetsara Lita fa raha tsy izay dia ho ripaka eto daholo isika mianakavy, antony nanaovan’izy ireo ilay hetsika fikomiana teny Soarano ny sabotsy teo. Nambarany fa azo atao tsara ny mampidina ny vidin-tsolika fa ny fitondram-panjakana mihitsy no tsy manam-piniavana sy manao be marenina. 2.000 Ar mahery mantsy no hakana ny solika iray litatra amin’izao any aminy nefa dia hamidy 4.000 Ar mahery ho an’ny lasantsy tonga eto an-drenivohitra. Ilana fanazavana izany, hoy hatrany Rabetsara Lita ahitana izay tena matavy ka tokony hanaovan’ny fitondram-panjakana, ireo mpandraharaha ara-tsolika, ny minisitra tompon’andraikitra, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fihaonana an-databatra boribory. Tsy nijanona ho mpitsikera fotsiny ihany izy ireo fa nanome vahaolana vitsivitsy ihany koa toy ny fijerena ny sandam-bolantsika Malagasy, ny fampiharana ny lalan’ny fifaninanana eo amin’ny fivarotan-tsolika fa tsy hatao mitovy daholo araka ny zava-misy ankehitriny, ny fampidirana an’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny OPEP….Tsy hijanona intsony ny hetsika fitakiana ny fampidinana ny vidin-tsolika izay marihina fa hiombonan’izy ireo amin’ny UCTU ihany koa. Manome ny fitondram-panjakana fe-potoana hatramin’ny alakamisy izy ireo hijerena akaiky ny mikasika izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.