Mbola mitana ny sain’ny maro hatrany ny didim-panjakana mandrara ny fanondranana omby.
Natao izy iny ho fisorohana ny halatra omby ka naato mihitsy ny fivezivezen’ny omby amidy mivoaka an’i Madagasikara. Antony namerana azy koa ny havitsian’ny omby eto amin’ny firenena ka mety hitarika fisondrotam-bidy. Na dia eo ary izany dia tsy azo ihodivirana ny fihenan’ny vola vahiny miditra vokatr’io fanapahan-kevitra io. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny lanja ara-bolan’i Madagasikara izany (balance de paiement) izay efa fatiantoka hatrany. Tokony hisy fampiakarana ny famokarana sy ny fanondranana amin’ny sehatra hafa mba hanentsina ny lavaka. Raha tsy misy fepetra mazava raisina dia mety ho anisan’ireo singa hampitotongana hatrany ny toekarena ity fanapahan-kevitra ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.