Fahafaham-baraka, fisolokiana, fanaratsiana, fandotoana, midoboka am-ponja amin`ny hadalàna…
Ampahan`ny voka-dratsy ateraky ny tambajotran-tseratsera sosialy “Facebook” ireo. Hitantsika taloha fa ny zavatra nisy tamin`ireny tambajotra sosialy ireny matetika dia mikasika ny fidirana amin`ny fiainan’olona manokana. Efa tsy zoviana eto amintsika intsony ny fampiasana ny tambajotra sosialy izay mety mitera-doza. Na eo aza ny fivoarana dia mila lanjalanajaina ihany ny zavatra atao ary hajaina ihany koa ny fahafahan’ny hafa.
Ara-keloka
Ny lalàna 2014-006 no nanangana ny lalàna mahakasika ny “cybercriminalité” na ny fanenjehana ny tsy fanajana ny lalàna raha mahakasika ny eo anivon`ny tambajotra serasera sy izay zavatra mivoaka amin’ny aterineto. Nihazakazaka tokoa tato anatin’ny 20 tao izay ny fampiasana ny aterineto teto Madagasikara ary niroborobo nanarak’izany ny fikirakiran’ny olona ireo karazana tambajotrana serasera tahaka ny facebook, twitter... Ny lalàna momba ny « cybercriminalité », izay nivoaka ny taona 2016, natao arofanina ho an’ny fiarahamonina ka hanenjehana ireo mihoa-pefy. Araka ny nambaran`i Imbiky Herilaza, mpahay lalàna, raha misy olona mihevitra fa voatohintohina ao anatin`ny tambajotra serasera ny voninahiny na nisy fandotoana azy dia afaka mitory izy eo anivon`ny polisy tsotra, izany hoe “commissariat d`arrondissement” na koa eo anivon`ny zandarimaria. Ankoatra izay, afaka mitory eny amin`ny fampanoavana na “plainte au parquet”. Io lalàna io no hampiharina ka tsy misy rafitra hafa napetrak`io lalàna io mba hahafahana manenjika na mampihatra io lalàna mahakasika ny “cybercriminalité”, hoy hatrany ny fanazavana. Ny fanasaziana matetika fanagadrana 2 taona hatramin`ny 5 taona ary mandoa onitra hatramin`ny 5 tapitrisa ariary. Araka izany, ireo izay mahatsapa hoe voatohintohina dia afaka mitory eo anivon`ireo sampandraharaha voalaza ireo.
Sary mamoafady
Fahafaham-baraka tsy misy toy izany… Miha mahazo vahana tanteraka ny famoahana sary mamoafady hoenti-manala baraka olona ambony, mpanao politika, na olon-tsotra aza. Tamin`ity taona ity, trangana fanaparitahana sarin`olona miboridana miisa telo no niseho. Tsaroana tsara ny sary mamoafady izay ahitana olom-boafidy miboridana tao anaty efitrano. Sambany teto amin`ny tantaran`i Madagasikara no nisy sarina olom-boafidy miboridana niparitaka ka hitan’ny olon-drehetra. Taorian’izay, tovovavy telo manao fihetsika mamoafady amin`ny alalan`ny dihy na “striptease” no nisy nanaparitaka. Nanaraka ny dian`izy ireo ihany koa ilay tovovavy nanao fihetsika nanota fady niaraka tamin’ny akondro. Taty amin`ny taona 2017 sy 2018, be dia be ihany koa ny zavatra ratsy voizina eny anivon`ny tambajotra serasera. Nisy ihany koa ny filazana vaovao tsy marina mahakasika olona anankiray na olon-tsotra, na olo-malaza na koa mpanao politika.
Fitaovana politika
Amin`izao vanim-potoanam-pifidianana izao ary hiditra amin`ny fampielezan-kevitra dia mety hataon`ny fitondram-panjakana ihany ny fomba hahafahana mametra ny zavatra holazain`ny olona rehetra ary mety ho marina raha mahakasika ny zavatra tsy mety eny anivon`ny tany sy ny firenena na koa kandidà hirotsaka amin`izao fifidianana izao. Zary lasa fitaovana politika ny “facebook” saingy tsikaritra ho maivana ihany ny fandraisan`andraikitra, indrindra fa rehefa ireo olona tsy mitovy firehana amin`ny mpitondra ho lasibatra. Raha izao fizotry ny tantara izao, mbola ho maro ny zavatra fanaon`ny olona ambony sy mpitondra ho vaky bantsilana ary ho lasa fitaovana hifanapotehana mihitsy. Akaiky rahateo ny fifidianana ka maro ny afera mety ho vaky hoenti-mifamotika.
Fisolokiana avo lenta
Tsy kely lalana ny ratsy. Ny tena hita taratra amin'izao raha eny amin'ny sehatry ny varotra no jerena dia hita fa maro no roboka amin`ny varotra amin`ny fesiboky na “vente en ligne”. Na dia natao ho tsiambaratelo aza ny kaody miafina amin`ny kaonty fesiboky, mbola vitan`ireo tsy mataho-tody no miditra an-tsokosoko amin`izany. Maro ireo efa lasibatra:
Sipre Andriambelo : Namaly tolotr`asa aho mahakasika ny “travail à domicile”. Notsindriko ny “lien: test to” dia tsy tafiditra tamin`ny kaontiko intsony satria efa voaovan`ilay olona ny kaody miafina. Ny olana dia nindramany vola avokoa izay namako “en ligne” ka efatra tamin`ireo no tratrany. Nitotaly 130 000 Ariary ny vola lasany. Tena repo-dava ny tenako dia tsy nisy fotoana nanaovana fitoriana aloha hatreto fa miezaka manolo tsikelikely ny volan`olona. Tamin`ny alalan`ny Money Mobile no nahazoany azy kanefa tsy mba nahay niantso izy ireo nialoha ny nandefasany ny vola.
Liana Soa (gasy monina any France): In-droa aho no niharan’ny fisolokiana. Resaka “produit cosmetique” ilay izy. Raha ny fifanarahana dia tokony ho ny “frais de port” no aloa. 1 hatramin`ny 2 Euros izany. Loza, 300 euros be izao no nalainy tamin`ny kaontiko any amin`ny banky. Rehefa mandoa ny vidin`ilay entana mantsy dia tsy maintsy mametraka ny momba ny kaontiko ao amin`ny bankiko.
Jajah R.: Niditra tamin`ireny vondrona resaka fakan-tsary ireny aho. Nifanaraka tamin`iray tamin`ireo namako tao antin`io vondrona io aho fa hividy fakan-tsary any aminy. Nihaona izahay ary roboka aho fa mora ilay entana izay nitentina 600 000 Ar. Mora tokoa ilay izy satria raha tany amin`ny magazay dia eo amin`ny 2 400 000 Ar ny vidiny. Natao ny andrana nandeha tsara ilay entana saingy rehefa tonga tany an-trano toa nivadika ny rasa. Nantsoina ilay nomerao, niverina nidirana ilay vondrona, tsy tafiditra intsony. “Bloquè” aho. Kivy mihitsy.
Mitaky andraikitra ny zo
Manodidina ny 900.000 ankehitriny ny olona mampiasa ny tranonkala eto Madagasikara ary ny tambajotran-tserasera “facebook” no tena be mpikirakira.Malalaka ny eto raha oharina amin’ny firenen-kafa tahaka an’i Chine sy Rosia ohatra na ireo firenena Arabo izay tena ny fanjakana mihitsy no miditra an-tsehatra mifehy ny resaka internet rehefa hitany fa ilaina izany, na misy zavatra mampiahiahy azy. Ny fahalalahana maneho hevitra dia tsy midika velively hoe samy afaka miteny izay tiany na sendra mandalo ao an-tsainy fotsiny; na koa mamorona atsanga tsy aman’orana mba handotoana ny hafa.Mitaky andraikitra ny zo, ary mila fahendrena ny fampiasana ny fahalalahana.Tena mety hiteraka korontana ao anaty fiarahamonina ny fehezanteny iray nisolifatra, ary ho sarotra ny fifandaminana avy eo.Fitaovana hahafahana manovo fahalalana ny aterineto sy ny singa rehetra miaraka aminy, mety ho fitaovana hanimba zavatra sy hanimba fiainan’olona koa anefa ka izany no tsy maintsy ametrahana lalàna sy fitsipika handrindrana ny fampiasana azy; ary ireo mpampiasa ihany koa dia mila mahatsapa tena sy mahafehy tena fa tsy ho voaziogan’ny fitia te hisongadina fotsiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.