Hifarana anio ny fikaonan-doha nasionalin’ny “Aterneto” izay efa natomboka omaly tetsy Anosy.
Hetsika natao hanenjehana ny fahataran’i Madagasikara amin’ny fampiasana Internet. Mpampiasa fototra ny aterineto ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo noho ny fampiharana ny rafi-pianarana LMD kanefa na eny aza dia mbola maro ny tsy misitraka izany. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahazoan’ny mpianatra Internet manerana ny nosy. Hamoraina araka izany ny vidin’ny fampidirana “Connexion” isaky ny tokantrano mba ho afaka hampiasa azy ny Malagasy manerana ny nosy. Tsiahivina fa 300.000 Ariary farafahakeliny ny sarany ankehitriny ary mbola misy ireo faritra tsy takatry ny tambajotra miasa eto amintsika. Dingana iray no efa vita dia ny fahafahan’ny mpandraharaha tsy ankanavaka misehatra amin’ny fanomezana tolotra “Fibre optique”. Paik’ady faharoa ny dinika an-databatra boribory hanetsehana ireo mpandraharaha araka ny nambaran’ny ISOC na ny orinasan-tserasera aterneto eto Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.