Dossier

Fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara Lasa resaky ny moana sy marenina


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Tsy ampy hiatrehan’ny tanora malagasy ny tontolon’ny asa ny lalam-piofanana nodiaviny sy ny mari-pahaizana ananany.

 

  Midika izany fa misy olana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto amintsika. Nitondra vahaolana amin’ny fanabeazana ny fitondram-panjakana teo aloha, ka najoro ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana na ny PSE (Programme sectoriel de l’éducation). Hatreto anefa, tsy nanome baiko mazava ny fitondram-panjakana, ny amin’ny politikam-pampianarana eto amintsika. Tsy azo foanana anefa ny PSE, ka tsy maintsy ampifandraisina amin’ny IEM (Initiative Emergence Madagascar), izay praograman’asan’ny filoham-pirenena.

Tanjon’ ny PSE

Misongadina ao anatin’ny PSE ny fanomezana vahana ny teny malagasy ho an’ny “sous-cycle” voalohany, ho fanamorana ny fampitana ny fahalalana. Satria koa amin’ny alalan’ny tenin-dreny no fomba mora indrindra sy mahomby hampitana fahalalana ho an’ny ankizy vao miditra an-tsekoly. Atao ezaka ihany koa ny fampihenana na fanafoanana ny famerenan-taona, ho an’ny ankizy, raha tsy noho ny antony tsy azo anoharana. Ny antony dia 20% ny tahan’ny famerenan-taona amin’izao ary miteraka fandaniam-bola be ho an’ny fanjakana izany. Ny vahaolona aroso ary dia ny fanaovana ilay antsoina hoe : “pédagogie différenciée” ( miainga amin’ny fahatsapana fa samy manana ny fomba fianarany sy fandraisany zavatra ny mpianatra tsirairay). Nahabe resaka ao anatin’ny PSE ihany koa ny fanafoanana ny CEPE, satria diplaoma tsy ilaina intsony eo amin’ny sehatry ny fitadiavan’asa, ka mandany volam-panjakana ny fikarakarana sy ny fanatanterahana azy.

Miharatsy ny fanabeazana fototra

Tsy arakaraka ny zavatra nilokalokana hoe ny fanabeazana fototra (EPF: Ecole primaire fondamentale) dia hisandrahaka amin’ny fokontany rehetra manerana ny Nosy. Na misy aza ilay sekoly fanabeazana fototra dia olana indray ny fotodrafitrasa. Na tsy misy na tsy ampy araka ny tokony ho izy. Amin’ny ankapobeny, mpampianatra iray eto amintsika no mitazona kilasy iray, any amin’ny fanabeazana fototra, ary tsy voafetra ny isan’ny mpampianatra. Raha ny fenitra iraisam-pirenena anefa dia 20 no isan’ny mpianatra sahanin’ny mpampianatra iray, saingy arakakaraka ny refin’ny efitrano fampianarana kosa io, izany hoe zaza iray isaky ny 1m². Etsy an-daniny, tsy azo odian-tsy hita ny fahasahiranana iainan’ny ankizy amin’ny andavanandro : mandeha an-tongotra kilometatra maromaro vao tonga any am-pianarana, ny kibo tsy voky. Mety hitovy amin’izay ihany koa ny iainan’ny mpampianatra satria kely ny karama.

 

Tsy tomombana ny fampiofanana

Misy ny fiofanana ataon’ny CISCO amin’ny alalan’ny CONSPED (Conseiller Pédagogique) sy ny Chef ZAP. Mety mandeha irery ny Chef ZAP manatanteraka izany. Indraindray anefa, ny Chef ZAP sasany malaina hanao azy io, satria tsy misy vola raisiny amin’ny fanaovana izany. Ankoatra izay, ny Chef ZAP ihany koa no tomponandraiki-panjakana akaikin’ny sekoly indrindra, ka mifatratra ao amin’izy ireo avokoa ny asa rehetra (fanaraha-maso ny fifindran’ny mpampianatra, fanangonana ireo karazana antontan’isa eo amin’ny fari-piadidiany, fitantanana sy fisorohana ny loza…), hany ka lasa tsy dia mahafa-po ny vokatra azo. Mahakasika ny mpampianatra indray, efa nampiditra mpiasa ny minisitera fa tsy ampy, satria mila mizaka ny vesatra ara-bola aterany. Ho an’ny kilasy fahenina hatramin’ny kilasy fahatelo kosa, mavesatra loatra ny andraikitra sahanin’ny mpampianatra sasany. Misy mpampianatra iray mampianatra taranja telo samihafa. Tsy tomombana ny fampianarana, vokatr’izany. Olana iraisan’ny sekoly maro moa ny tsy fahampian’ny ny fotodrafitrasa, tsy ampy ny fahaizan’ny mpampianatra izay entina hitantana izany, ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny fitaovana eo am-pelatan’ny mpampianatra sy ny mpianatra. Ho an’ny fampianarana teknika kosa, tsy ampy ny isany, fa tokony hisy isaky ny distrika ny fametrahana an’ireny sekoly teknika ireny.

 

Mila jerena ifotony ny fampianarana teknika

Natambatra ho iray ny minisitera misahana ny fanabeazana sy ny fampiofanana ara-teknika. Betsaka ny teknisianina fa ilay fampianarana manokana no tena olana. Tsaroantsika tsara fa nisy fotoana voatery naka olona avy any ivelany ny orinasa Ambatovy fa tsy nanana mpanao soudure nanana ilay traikefa takiana ny firenena. “Araka izany, tsy maintsy jerena ny qualification « ouvrier qualifié » izany hoe fanofanana hahazoana diplaoma (formation qualifiante) fa tsy hoe ny raiko no manao ilay asa dia izaho no handova azy”, hoy i Imbiky Herilaza, talen’ny fampiofanana eo anivon’ny ENMG. Mila zavatra tena manaraka fenitra ny fanofanana, hoy ihany izy. Tsy ampy isa ny lisea teknika eto Madagasikara ka tokony hisy isaky ny distrika ny fametrahana an’ireny sekoly teknika ireny, hoy hatrany izy. Miankina amin’ny ain-dehiben’ny fampandrosoana tokoa ny fampianarana. Raha tsy manana olom-banona moa dia ahoana no ahafahana mamamaly ny zavatra takiana amin’ny lafiny fampandrosoana ? Tena mila jerena ifotony ny eto Madagasikara fa tsy afaka hamaly ny hetahetam-pandrosoana raha mbola izao mitohy.

 

Fitaovana politika ny fanabeazana

Manenjika fetr’isa ny fitondram-panjakana, indrindra rehefa fanadinam-panjakana, na BEPC na bakalorea. Ampidinina ambany foana ny zavatra takiana amin’ny mpianatra amin’ny laza adina. Ny tahan’ireo afaka baka dia tsy maintsy ampiakarina foana isan-taona. Tsy resaka fahaizana intsony ny zava-misy fa resaka isa ary tsikaritra ny vokatra aterak’izany rehefa tonga eny amin’ny anjerimanontolo ilay mpianatra, dia tara ny ankizy. “Tsy maintsy ifandribonana amin’ ny fanabeazam-pirenena sy ny teknika izany”, hoy Razafimahatratra Donné, tale eo anivon’ny minisiteran’ ny fampianarana ambony. “Ny rafi-pampianarana PSE dia hitondra fanavaozana amin’ny fampianarana.  Ao anatin’izay fanavaozana izay no misy indrindra ny fanovana eo amin’ny lafiny fampianarana. Mandeha miandalana izany satria ny fampianarana mantsy tsy hoe : ovaina androany dia androany fa tsy maintsy mandeha any amin’ny fototra. Efa manomboka izao ny fanamboarana ny fandaharam-pianarana any amin’ny “primaire” dia mitohy any amin’ny lisea. Avy eo tonga eny amin’ ny oniversite dia tsy maintsy hampifandraisana amin’ny rafitra LMD. Ny tanjona, io mpianatra io dia tsy maintsy afaka manao fikarohana, ka eny amin’ ny ambaratonga ambany dia tokony hiditra ny fahaiza-manao”, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Sarotra ny fametrahana ny PSE amin’ny 2022

Mahakasika ny mety ho “lafy ratsiny” amin’ny PSE dia ny avy amin’ny sekoly tsy miankina no misongadina amin’ny fanomezana tsikera azy io. Ny DINEC (Fitantanana nasionalin’ny fampianarana katolika) izao dia nilaza fa tsy mety amin’ny fampianarana Malagasy ny tetiandro vaovao, satria anaty fahasahiranana ny ray aman-dreny, ka sarotra ho azy ireo ny mampiditra ny zanany mianatra amin’io fotoana kasaina hidirana io (volana martsa). Ny minisitra vaovao dia nilaza fa mbola haverina hifampindinihan’ny mpisehatra eo amin’ny fanabeazana izy io ary aorian’izay no handray fanapahan-kevitra ny minisitera. Na ny eo anivon’ny DREN aza tsy nampahafantarana ny andraikitra hosahaniny manoloana ny PSE. Raha amin’izao fandehan-draharaha izao dia mety tsy ho tratra ny fanovana kasaina ho tanteraka amin’ny taona 2022. Taorian’ny fiovan’ny minisitra, taorian’i Paul Rabary tokoa mantsy dia mifantoka tamin’ny fampandehanan-draharaha ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra. Ny tetiandrom-pampianarana ihany no mbola nohetsehina hatreto fa tsy misy ny asa hafa ankoatra izay, araka ny fanazavana azo.

Tsy maintsy ampifandraisina amin’ny IEM

Tafiditra ao anatin’ny velirano ny fanabeazana. Zava-dehibe ny fampianarana matoa nakambana ny fampianarana ankapobeny sy ny fampianarana teknika, ka tian’ny filoham-pirenena hampitoviana lanja ireo roa ireo. Olona manana traikefa rahateo no napetrany amin’ny fampianarana ambony, hoy Imbiky Herilaza. Ao anatin’ny praograman’asa ankapoben’ny fanjakana (PGE) dia goavana ny zavatra hoentina ao amin’ny fampandrosoana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Ramatoa minisitra anefa dia mbola tsy nanome baiko mazava ny amin’ny lalana hizorana hatreto, mahakasika ny politikam-pampianarana eto Madagasikara, hoy ny tsilian-tsofina avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny azo antoka dia hisy ny fanamboarana ny programam-pampianarana, satria efa vola betsaka no narotsaky ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Banky Iraisam-pirenena fa ny endrika isehoany no tsy fantatra. Nahazo famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara tamin'ny Banky Iraisampirenena sy ny Partenariat Mondial pour l'Education Madagasikara hampiroboroboana ny fanabeazana fototra, ary ho fanantanterahana ny Plan Sectoriel de l'Education (PSE). Marihina fa tamin`ny taona 2018 dia namoahana vola nitentina 1 191 miliara ariary ny PSE teo anivona minisitera telo. Sarotra ny hanafoana izany satria matoa nahazo famatsiam-bola dia mifanaraka amin’ny filan’ny mpamatsy vola.

 

Hevitr’ ireo mpanabe

Tia Tanindrazana: Mpitsara ny rainao sady mpampianatra. Ny reninao nitazona sekoly (EPF). Annnisan’ny tompon’andraikitra amin’ny sekolim-panjakana ambony mahakasika ny fampiofanana mpitsara sy mpirakidraharaha eto Madagasikara ihany koa ianao. Ahoana ny fahitanao ny tontolon’ny fampianarana raha oharina tamin’ny teo aloha ?

IMBIKY Herilaza : Tsy mitovy mihitsy ny taloha sy ny amin’izao. Ny toe-tsaina nentina nampianatra tamin’izany dia tsy mitsinjo ny tenany mihitsy fa mitsinjo ny hampitana amin’ny fomba faran’izay tsara ny fahaizana izay ananany. Tsy maintsy manaraka fiofanana roa na telo taona tetsy Mahamasina ny mpampianatra. Ato amin’ny ENMG izao, tsy maintsy isan-taona no mianatra ny “ingénierie pédagogique” any amin’ny seha-pampianarana any ivelany. Tsy maintsy olona voaomana sy nofanina manokana no tokony hampianatra sy hampita fahaizana ho an’ny zanaka Malagasy. Nihena ny hatsaran’ny fampianarana sy ny fahaizan’ny mpampianatra.

 

Tia Tanindrazana : Mpampianatra eo anivon’ny Ecole Normale Supérieur ianao sady tale eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Ahoana no fahitanao ny fahaizan’ny tanora ankehitriny ?

Donné Razafimahatratra : Mampalahelo. Misy fiantraikany aloha ilay grevy teo, saingy tsy mifanaraka amin’ny zavatra misy ankehitriny ny fivoaran’ ny fanabeazana. Tsy kivy izahay fa miankina amin’ny ray aman-dreny ao an-trano ihany koa. Beazo ny zanaka. Ilaina ny teknolojia, saingy lany andro amin’iny ny ankizy ka ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT