Dossier

Fampianarana eto Madagasikara Lalaovin`ny politika


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Marary ny tontolon`ny fampianarana. Mpampianatra iray mampianatra amina sekoly marobe. Mitombo isa hatrany ireo fianarana tsy miankina kanefa tsizarizary ny efitranon-tsekoly sy ny kalitaon’ny fampianarana.

 Be no manana diplaoma fa tsy mahita asa dia lasa mampianatra.  Marary ihany koa ny fanabeazana ary miainga avy ao amin’ny tokantrano izany satria misy ireo ray aman-dreny mametraka  ho laharana fahatelo ny fampianarana. Ampahan`ny porofo milaza ireo fa very tanteraka ny hasin`ny maha “fianarana”. Tsy mifanaraka amin`ny filan`i Madagasikara ny fandaharam-pianarana ka mila fanarenana goavana ny tontolony ary tsy misy afa-bela intsony na ny fanjakana na mpitantana sekoly na ny mpampianatra na ny mpianatra na ny ray aman- dreny.

Safidy roa

Taorian’ny fitakiana naharitra roa volana mahery teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tarihin’ny sendikan’ny mpampianatra, dia mbola mikatona avokoa ireo sekolim-panjakana manerana ny nosy. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny alatsinainy lasa teo ary miankina amin`izay ny antoka hiverenan’izy ireo mampianatra na tsia. Hiverina hanamafy ny fitakiany izy ireo raha tsy misy valin-teny miantraika amin`ny “bon de caisse” izay mitetina 100 000 Ariary ambonin`ny karama ny fampanantenana entin`ny mpitondra fanjakana. Nahitana fiantraikany mivantana maro ny fitakiana ataon`ny mpampianatra kanefa araka ny lalàmpanorenan'ny Repoblikan'i Madagasikara, "ny ankizy tsirairay dia manan-jo hanana fanabeazana sy hianatra" (Andininy 23). Any amin'ny faritra ambanivohitra, ny ankamaroan'ireo EPP, CEG ary sekoly ambaratonga ambony dia efa lao tanteraka. Raha mivaly kosa anefa ny fitakiana, mety ho araky ireo mpianatra ve ny programa ? Hanana ny toetsaina ny toetena hanatanterahina izany tokoa ve izy ireo ? Mipetraka ny fanontaniana : zon`ny zaza hianatra sa zon`ny mpampianatra hitokona ? Ny lalàmpanorenana dia manaiky tokoa ny zo hitokona, saingy nilaza fa tsy maintsy hampiasaina "raha tsy izany ho fitsarana an-tendrony ny fitohizan'ny asa fanompoana ho an'ny besinimaro, na ny fototra mahasoa ny firenena "(Andininy faha-33). Na manohy ny fitokonana ireo mpampianatra noho ny antony ara-politika na sendikaly, ny vokany dia mitovy ihany.
 

 
 
 
Mitanila 
 
Mandeha ila ny fampianarana eto amintsika. Ny sekoly tsy miankina dia mitohy tsy misy fanakatonana, afa-tsy ohatra raha misy mpitarika mitaky fitokonana antsasak'adiny ho firaisankina amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny sehatra ny fanabeazana. Ny "zo ho an'ny fampianarana sy ny fanabeazana" dia hajaina ireo mpianatra any amin'ny sekoly tsy miankina, miaraka amin'ny fandraisana anjara mavitrika ataon'ny mpampianatry ny sekolim-panjakana izay  manampy ny ampahany ny fampianarana, indrindra any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa (kolezy sy lisea).  Lasa sorona noho ny ady fitakiana ny mpianatra malagasy, anisan’ny voakasika amin’izany ireo mpianatra any amin’ny sekoly tsy miankina, satria dia nianatra ara-dalàna, ary maharaka ny fandaharam-pianarana izao voahelingelina izao. Manoloana ny zava-misy, manahy ny fisian`ny taona fotsy ireo sekoly tsy miakina.

 

Very hasina

Anisan`ireo porofo manamarina fa marary ny fampianarana ary very hasina ny fampianarana ny fisian’ny  mpampianatra iray mampianatra amina sekoly maro be. Betsaka ireo mpampianatra no manao “charge de cours” satria ny sekoly tsy miankina tsy dia manana mpampianatra mahay na koa manana traikefa firy. Noho izany, miantso ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana ireo talen-tsekoly tsy miankina mba hampiofanana an`ireo mpanabe any amin`ny tsy miankina. Mahatsapa fa tsy ampy ny karama raisiny, hany ka misy alaim-panahy. Ny ezaka ataon`ny sekoly tsy miankina mantsy dia mba tena olona tompon’andraikitra maharitra eo an-toerana ary izay no tena mampandroso an`ilay sekoly. Ny “charge de cours” mantsy asa an-tselika dia misy zavatra tsy voaraka ihany. Fanampin`izay, efitrano fianarana tsizarizary nefa sekoly nahazo alalana hisokatra, mpianatra maherin`ny 50 no ao anaty kilasy iray…  Toa lasa toerana hitadiavan-diplaoma sisa ny sekoly fa tsy fandrantoam-pahaizana intsony. Aiza ilay hoe “mikatsa-pahaizana ?” Tsy ahitam-bokatra intsony ny fampianarana ary tsy manabe ny zaza Malagasy intsony ny sekoly sasany ankehitriny. Tsy mahagaga raha izao ny toerana misy ny firenena. Hoentina amin`ny diplaoma sisa i Madagasikara fa tsy hoentina amin`ny fahaizana sy fahalalana ary fanabeazana sahaza azy. Marary ny fanabeazana eto Madagasikara ary miainga avy ao amin’ny tokantrano izany satria misy ireo ray aman-dreny mametraka ho laharana fahatelo ny fampianarana. Misy koa ireo manala ny zanany mianatra rehefa mahavita eny amin’ny ambaratonga fototra.  Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny ray aman-dreny. Tokony hampirisika hatrany ny ray aman-dreny amin`ny fanohizana ny fianarana fa toa lasa mampianampiana-poana ka tonga amin`ilay fitenenana hoe “ Ataovy tifi-danitra sao mahavoa tendrombohitra”.  Eo ihany koa ny fiarahamonim-pirenena, izay tsy sahy miteny manoloana ireny trangan-javatra ireny.

 

 

Fanarenana goavana

Tsy mifanaraka amin`ny filan`i Madagasikara ny fandaharam-pianarana ka mila fanarenana goavana ny tontolon`ny fampianarana ary tsy misy afa-bela intsony na ny fanjakana na mpitantana sekoly na mpampianatra na mpianatra na ray aman- dreny...  Mila fikaonan-doha goavana manoloana ny fahaizan`ny mpianatra satria raha dinihana sy jerena akaiky, toa ampianarina hihabado ny zaza Malagasy. Mikatso ny fampianarana, ary tsy mety misy ny fitoniana eo amin’ny sendikan’ny mpampianatra, izay misy akony betsaka any amin’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Misy zavatra ilana fanavaozana, indrindra amin`ny lafiny lalàna. Mitaky ezaka sy fahasahiana lehibe ny fandrindrana ny fandaharam-pianarana hifanaraka amin`ny filan`ny zaza Malagasy sy ny filan’ny firenena. Ao anatin’izay ny fikarohana vahaolana maharitra manoloana ny fahosan’ny fampianarana eto Madagasikara.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT