Mitohy hatrany ny fahapotehan’ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mbola milamina ny savorovoro politika misy ary hita ho mitohy hatrany ny grevy sy ny tsy fanekenan’ireo sendika maro ireo minisitra sasantsasany napetraka.
Voakasiky ny fihetsiketsehana avokoa ireo sehatra hiankinan’ny toekarena tahaka ny fadintseranana sy ny hetra. Tsiahivina fa tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana no salama farany ny toekarena. Nahavelom-bolo ny maro ny fampandrosoana ifotony nisy tany amin’ny tontolo ambanivohitra. Maro ny lalana vita ary tsy natao petatoko fa nanaraka tsara ny kalitao sy ny fenitra iraisam-pirenena. Nisy ny fijerena manokana ny sehatra fanabeazana sy ny fanomezana asa ny tanora. Izany rehetra izany moa dia efa hita soritra tao amin’ilay vina Madagasikara Am-Perinasa nentin’ny filoha Ravalomanana. Tsy mahagaga raha tamin’io no betsaka indrindra ny tetibolan’ny fanjakana satria vina tsy halatahaka fa niainga tamin’ny zava-nisy marina teto Madagasikara. Tamin’izany indrindra no niroboroboan’ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpamatsy vola sy ireo firenena matanjaka maro. Nitranga anefa ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 izay nitondra fanapotehana maro. Fahaverezan’asa, fahasimbana orinasa Malagasy maro no nentina tamin’ny fihetsiketsehana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny. Fantatra fa nisy firenena hafa izay voatohintohina tamin’ny tombontsoa sy ny fitiavantenany manokana no tsy faly ka niezaka nanadaraboka ny fitondrana tamin’izany. Teo ihany koa moa ny fisian’ny toe-tsaina ory hava-manana, indrindra ireo olona tsy nahari-pery ka tsy nijery ny hoavy fa ny anio dia ny anio ihany. Tamin’izany aza moa dia nolazaina sy nambolena tao an-tsain’ny Malagasy fa mpanao didy jadona ny filoha Ravalomanana. Niainga tamin’ny fifehezana mafy daholo anefa ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina tojo fampandrosoana rehetra ireo.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.