Omaly talata 10 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Tsenaben’ny Varotra sy Indostria CCI Antaninarenina ny tomban’ny fiomanan’i Madagasikara hiditra ao anatin’ny varotra elektronika.
Ny CCI Antananarivo, ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ary ny manampahaizana manokana amin’ny varotra sy fampandrosoana avy amin’ny firenena mikambana (CNUCED). Firenena mahantra miisa 7 no efa nahavitana tombana nanomboka tamin’ny taona 2016 araka ny tatitry ny CNUCED ary anjaran’i Madagasikara indray izao no misitraka izany. Manampy ny firenena mahantra mba hivonona tsara amin’ny fidirana amin’ny varotra elektronika ireo tombana ataon’ny CNUCED mba ahafahany mandray anjara sy mahazo tombony amin’izany. Tanjona ny hanampy an’i Madagasikara mba hisehatra ankamorana sy ankalalahana ny teknolojia informatika sy ny serasera (TIC) amin’io varotra io. Hisy, araka izany, ny tatitra farany hivoaka aorian’ny fidinana ifotony sy ny fikarohana maro atao aorian’ny atrikasa mandritra ny 4 andro. Hojerena ao anatin’ny atrikasa ny fananganana stratejia amin’io varotra elektronika io, ny fandehan’ny fandoavam-bola, ny resaka lalàna mifehy azy ary indrindra ny fomba ahazoana famatsiam-bola ho an’ireo izay hisehatra ao. Mifototra tanteraka amin’ny fandrosoan’ny teknolojia ity varotra ity ka ilaina tanteraka ny mahafehy ny tontolon’ny informatika eto Madagasikara.
tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.