Fikambanana hivondronana lehilahy mbola mpianatra ny “Empowermen Madagascar”. Manatanteraka hetsika etsy amin’ny Infp Mahamasina izy ireo nanomboka omaly haharitra folo andro.
Kaonferansa lehibe nanasany ireo fiarahamonim-pirenena sy fikambanana maro samihafa no nisantarany izany omaly ka ny tanjony dia ny hahafahana mampandray anjara ny tsirairay avy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Lohalaharana ny fiarovana ny tontolo iainana, ny ady amin’ny herisetra, ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy eny anivon’ny fiarahamonina. Nomarihin’i Ny Ranto Raharison, tompon’andraikitry ny serasera ao anatin’ny fikambanana fa ny hahafahana manaitra ny tsirairay avy amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena no tanjona. Tsy hijanona amin’ny fanatsarana ny fiainany manokana fotsiny ihany fa hahay hitsinjo ny mpiara-belona ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.