Mbola lavitra tanteraka ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria miaina anaty fahantrana ny 80%-n’ny Malagasy.
Maro be ny sehatra ilana fiheverana mba hipaka amin’ny rehetra ny fampandrosoana. Anisan’ny tsy maintsy hampiroboroboana haingana ny fanamboarana sy fananganana ny fotodrafitrasa satria izany no antoky ny fampandrosoana eny ifotony. Hanamora ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa ary hampivelatra ny sehatra famokarana. Tsy azo jerem-potsiny koa ny sehatra fanabeazana sy fahasalamana izay hita tsizarizary eto amin’ny firenena. Hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ireo sehatra ireo ary tokony hiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana. Mila hatsaraina hatrany koa ny fitantanana ary tena atao vaindohan-draharaha fa tsy fombafomba fotsiny ny ady amin’ny kolikoly.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.