Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, mihatsara ny toekarena ankapobeny eto Madagasikara saingy tsy mipaka any amin`ny isam-batan`olona.
Mbola miaina anaty fahantrana ny ¾-n`ny Malagasy. Nanana vina sy fandaharanasa handresy ny fahantrana amin’ny ampahany araka ny tanjon’ny OMD (tanjon’ny taona arivo fahatelo) i Marc Ravalomanana ary nieritreritra fa mila 15 taona (fotoam-piasana 3) no hahavitany izany. Saingy efa tantara sisa moa io, tsy tratra ny OMD, niditra indray ny ODD (fampandrosoana lovain-jafy), mbola ankamantatra… Zavatra hafa ny mahamaika ny mpitondra. Efa tamin'ny taona 2014 no novolavolaina ireto ODD ireto. Raha 17 ny tanjona, 169 kosa ny tarigetra ary 300 ny mari-pahafantarana vinavinaina hojerena hanatontosana ireo tanjona ireo. Mifototra amina lamina telo mazava ireo ODD ireo. Voalohany, mijanona ao ihany ny OMD saingy hamafisina. Faharoa, hisy ny tanjona hafa hampisongadinana ny firenena. Farany, hipoitra ny fanamby vaovao. Ahiana tsy ho tratra ireo tanjona ireo raha mitohy ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, delestazy, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidin’ireo zavatra ilaina andavanandro (PPN), fanaparam-pahefana manginy fotsiny. Tsy mbola amin’ity taona ity mihitsy vao hatomboka ny fanatontosana ireo ODD ireo raha ny eto Madagasikara. Ny tena loza, raha tsy ho tratra koa io dia ho very 25 taona izany ve i Madagasikara ? Ahoana no hanenjehana an’izany ? Sa miandry fahagagana ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.