Dossier

Fampandrosoana lovain-jafy Lasa teoria be fotsiny


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Hanomboka anio alatsinainy 3 septambra ny kaonferansa lehibe iraisan’i Afrika sy Sina ary nisy ny fanehoan-kevitr’ireo mpahay toekarena manoloana izany.

 

 

 Nanambara, ohatra, ny tale jeneralin’ny Banky Afrikanina ho amin’ny fampandrosoana teo aloha Donald Kaberuka fa mila mailo ny mpitondra afrikanina indrindra ny amin’ny fitantanana ny trosa mba tsy hiankin-doha be loatra amin’ny Sinoa. Tsy tokony hanao ohatra an’i Djibouti izay lasa bokan-trosan’ny Sinoa ary mazava ho azy fa tsy maintsy misy hatrany ny takalo maro be ambadik’ireny. Nanamafy ihany koa ity teratany rwandey ity fa tokony miezaka ny mpitondra Afrikanina miaraka amin’ny Banky Foibeny hanohitra ny fitotongan’ny sandam-bolany. Manoloana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) apetraka aty Afrika dia tsara, hoy izy saingy lasa resabe sy teoria fotsiny. Tsy mijery ny zava-misy marina ny amin’ny firenena tsirairay ny ODD ka sarotra ny hanatanterahana azy. Lasa apetraka ho fitsipika tsy maintsy arahina ilay ODD kanefa tokony samy manana ny modely ara-toekarena ary miankina amin’ny tranga misy any aminy ny firenena tsirairay. Manana lesona raisina ny amin’izany i Madagasikara izay mbola manana fanantenana noho ny harena ananany sy ny vokatra tahaka ny lavanila izay mbola afaka mifaninana tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mila mijery haingana ny amin’ny fanatanterahana ireo ODD ireo koa sao dia ho lasa resabe fotsiny tokoa ka tsy hisy akony amin’ny toekarena Malagasy indray.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT