Tonga niarahaba tamin’ny fomba ofisialy an’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine tamin’ny nahavoafidy azy tamin’ny fifidianana tamin’izany ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Ramatoa Violet Kakyomya.
Vaindohan-draharaha tsy maintsy hihazakazahan’i Madagasikara ny fampandrosoana lovain-jafy hoy izy omaly tetsy Tsimbazaza ary ny antenimieram-pirenena no lalana izay hahatrarana ny tanjona noho izy akaikin’ny vahoaka indrindra. Nanambara ihany koa ity solotenan’ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) ity fa hanohana ary vonona hiara-hiasa amin’ity andrim-panjakana ity ny amin’ny asa rehetra iandraketany hahatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana ho lovain-jafy (ODD). Nandritra ny tafa sy dinika dia nisy ny jery todika natao mahakasika ny olana rehetra misy eo amin’ny antenimieram-pirenena ary namafisina hatrany ny fifandraisan’izany amin’ny fanatrarana ireo ODD ireo. Anisan’ny voaresaka tao ny tany tan-dalàna, ny fanajana ny zon’olombelona izay mbola mila ezaka be eto Madagasikara. Arahimaso hatrany i Madagasikara mahakasika ity ODD mbola lavitr’ezaka sy tsy mety tratra ity ary misy mihitsy ny fijerevana ireo andrim-panjakana indrindra ny akaiky ny vahoaka sahala amin’ny antenimieram-pirenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.