Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka.
Lany tamin’ny maro an’isa ny IRD izay miaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tokony hirosoana tsy am-pihambahambana amin’izay ny fampandrosoana ara-toekarena, hoy ny mpamakafaka ara-politika, Faneva Raholdina. Tsy ahiana intsony mantsy ny hisian’ny tsy fahatoniana ara-politika izay sakana hatrany amin’ny fampandrosoana. Marin-toerana ny fitondrana satria manana ny maro an’isa ary tokony hanasoavana ny vahoaka izany amin’ny fanatanterahana ireo vina sy velirano. Tsy afaka hanilika andraikitra intsony ny fitondram-panjakana raha sanatria misy ny tsy fetezan-javatra tsy hahatafavoaka ny firenena. Mila maka lesona anefa ity fanjakana ity tamin’ny tantara rehetra niseho satria na nanana ny maro an’isa aza tamin’ny fotoan’androny ny PSD, ny AREMA, ny Hery velona ary ny TIM dia nisy hatrany ny krizy politika izay nivoaka tamin’ny hetsi-bahoaka. Azon’ny vahoaka tsaraina amin’izay io vina IEM io, hoy hatrany i Faneva Raholdina. Raha misy tsy mety ataon’ny fitondrana mpanatanteraka dia afaka manohitra mihitsy ireo depiote IRD ireo satria izay no fitiavan-tanindrazana. Inoana fa tsy hanara-drenirano sy handray baikom-pitolomana fotsiny ireo solombavambahoaka lany mandrafitra ny maro an’isa ireo fa raha izay no misy dia tsy hivoaka ary tsy ho tojo fampandrosoana mihitsy ny firenena. Aleo mitandrina ary tsy mahatoky tena be fahatany mba tsy hiverimberenan’ny krizy intsony izay mamotika hatrany ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.