Dossier

Fampandrosoana ara-toekarena Sakana hatrany ny fanjakana


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Manomana ny fampidirana ny mpianatra ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

 

 

Hita ho sahirana ny ray aman-dreny ankehitriny amin’ny famenoana ny dosie sy ny fandoavam-bola maro isan-karazany. Mahantra ny Malagasy ary miezaka sy mikely aina amin’ny fampidirana ny mpianatra ny rehetra. Manoloana ny fikarakarana ny fifidianana sy ny fampidirana mpianatra dia nanambara ny fandraharan’asan’ny Firenena Mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) fa ilaina hatrany ny fangaraharana sy ny fandraisan’andraikitra mba ho eken’ny maro ny valin’ny fifidianana ho avy eo ho tombony hatrany ho an’ny firenena. Tahaka ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) dia nanamafy izy ireo ny amin’ny fandaniana ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fanaronana ireo ady amin’ireo harena tsy ara-dalàna. Mafy sofina ny mpitondra, araka ny tatitry ny PNUD, satria efa ela ny fifandresen-dahatra ny amin’ny fandaniana ny lalàna momba ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna saingy tsy misy ny vokatra hatreto noho ny tsy fampiharana ny lalàna. Hisy akony ratsy anefa izany ny amin’ny famatsiam-bola homena an’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT