Dossier

Fampandrosoana ara-toekarena Mifamatotra tanteraka amin’ny fampianarana


  • Alarobia 14 Novambra 2018

“Raha te hampandroso firenena anankiray dia tsy maintsy ny fampianarana no hampiroboroboana ary atao izay hahatongavan’ny maro hatrany amin’ny ambaratonga ambony mba hahamatihanina ny fahaiza-manaon’ny olona tsirairay amin’ny asa izay ataony”.

 

Izany  no  fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony ampitain-davitra CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseignement de MADagascar) tetsy amin’ny biraony Ambatomitsangana nandritra ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety omaly talata 13 novambra. Rehefa betsaka manampahaizana ny Malagasy, hoy izy dia hiroborobo ho azy ny sehatra hampiainga haingana ny toekarena tahaka ny fandraharahana, ny fampananana asa. Amin’izay mantsy dia hampiasa vola aty ny vahiny noho ny fahambonian’ny fahaiza-manao nateraky ny fianarana norantovin’ny Malagasy ka hampiakatra ny fananan’asa sy ny fanodinam-bola. Rehefa izay dia miakatra ho azy ny vola miditra ary tojo ny karama mahavelona sy mahavanona ny eto Madagasikara. Nanamafy ity mpahay toekarena ity fa mifandray tanteraka ny faripahaizana sy ny fari-piainana ary tsy mahagaga raha fadiranovana mahantra ny firenena noho ny tsy fandrosoan’ity sehatra fampianarana ity. Hany ka lasa mirona any amin’ny vola maika ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny tsy fananana fari-pahaizana kanefa tsy misy fiantraikany amin’ny fitombon’ny toekarena ankapobeny ireny. Tsy maintsy akarina amin’ny alalan’ny fampianarana io fari-pahaizana io raha te higoka fampandrosoana ny firenena. Tsy very mandeha ary tsy mahantra ny manampahaizana, hoy izy fa na tsy misy aza ny asa dia hainy ny mamorona asa ho an’ny tenany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT