Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy ny orinasa Etech izay mbola anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany hatrany.
Afaka miezaka ny rehetra ary nentanin’izy manokana ireo orinasa izay afaka manao hetsika ho fampandrosoana. Ho an’ny Etech manokana dia nitodika kokoa ny amin’ny sehatra fanabeazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo. Hatramin’izay 10 taona nijoroany izay dia niahy sy nanampy ny Akany Toko Telo izay misy ankizy kamboty marobe izy ireo. Anisan’izany ny fanomezana ireo fitaovana sy ny fampianarana hitovizana amin’ny Malagasy rehetra. Ankoatra izay dia hisokatra hiezaka hiara-kiasa amin’ny any ivelany izy ireo ka hanangana fikambanana miaraka amin’ny ivontoerana fampianarana ambony Jane Goodal izay misehatra kokoa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy manavaka fa afaka miditra ao ny rehetra ary hentanina manokana ireo tanora manana tetikasa matotra enti-mampandroso an’i Madagasikara. Ny orinasa Etech dia hanohana ara-kevitra sy vonona hanolo-tanana ho an’ireo tanora anatin’ny fikambanana ireo. Tsiahivina fa mampiasa olona manodidina ny 500 eo ho eo ity orinasa ity hatreto ary tanjona ny hampitombo izany avo 2 heny hatramin’ny taona 2020.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.