Dossier

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy mety taitra ny fanjakana


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Marobe ny dinika sy ny atrikasa efa vita teto Madagasikara nefa mbola miaina anaty fahantrana lalina hatrany ny Malagasy.

 Navoaka indray tamin’ny farany teo ny tatitra nasionalin’ny fampandrosoana ny  mahaolona sy ny vaindohan-draharahan’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy. Matroka ny tarehimarika ary ahiana hatrany ny tsy ahatrarana ny tanjona. Aseho ireny rehetra ireny mba hanairana ny tompon’andraikitra, indrindra ny mpitondra, hoy ny mpahay toekarena miasa ao amin’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana. Ny zavatra tsapa anefa dia toa rano atondraka amin’ny lamosin-gana izany ary ny fikarakarana atrikasa sy fangatahana famatsiam-bola hatrany no mahamaika. Efa mahamenatra mihitsy aza moa ny resaky ny mpamatsy vola sasany hoe firenena miankin-doha loatra amin’ny famatsiam-bola i Madagasikara. Ny atahorana dia ny hanidian’ireo mpamatsy vola ny paompiny eo ny farany ary izay vao tena taraiky ny firenena. Tsy misy intsony aloha ny zavatra antenaina amin’izao fitondrana izao fa ny amin’ny fanjakana manaraka eo angaha no mety mba ho taitra amin’ny tarehimarika ara-toekarena miiba sy latsaka isan’andro eto Madagasikara.

Tsiry

 

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT