Dossier

Fampandrosoana an’i Madagasikara Tsy maintsy arahina finoana


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Omaly alarobia 10 oktobra no nampahafantarina tetsy Mandrimena Tanjombato ny fampandrosoana ara-toekarena tanterahina amin’ny lafiny finoana sy vavaka ataon’ny fikambanana Mpitory teny Mpitandrina Mpanompo (3M).

 

 

Nanambara ny fikambanana fa tompon’andraikitra voalohany eto Madagasikara izy ireo ny amin’ny fampiroboroboana ara-toekarena indrindra ny amin’ny fampielezana ny filazantsara. Tamin’ny oktobra 2017 dia nisy ny fampivoarana ny fambolena araka ny tatitry ny tompon’andraikitra voalohany ny 3M, Faly Ravoahangy. Ny vina dia ny hitady sy hanofana an’ireo olona nantsoin’Andriamanitra amin’ny sehatra fanompoana mba hiverina tanteraka amin’ny baiboly izy ireo. Misy ny hetsika iraisam-pirenena momba ny toriteny mirakitra fanazavana ny tenin’Andriamanitra (sommet international de la prédication textuelle). Antony anaovana ny hetsika ny hanentanana ny olona rehetra misehatra amin’ny fitandremana sy ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra mba hiverina tanteraka amin’ny baiboly. Tsy tokony hivaona amin’ny  tenin’Andriamanitra ny mpino amin’ny fanazavana ny olona ny amin’ny baiboly na dia mihamaro hatrany aza ny antokom-pivavahana sy ny fiangonana eto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT