Maro ny fanehoan-kevitra ataon’ny olona, indrindra ireo kandida milatsaka, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
Samy milaza hitondra fampandrosoana avokoa izy ireo ary miezaka mandresy lahatra ny vahoaka Malagasy. Ilaina hatrany anefa ny mason-tsivana amin’izany ahafahana mijery tsara mba tsy hofitahana indray ny Malagasy. Tsy maintsy olona resy lahatra hampandroso an’i Madagasikara aloha ary mahafantatra tsara ny fahorian’ny mponina izay mahantra ny 90% amin’izao. Tsy tia tena sy miaro ny tombontsoan’ny Malagasy ary tena saro-piaro amin’ny fampandrosoana ny maha olona tsirairay. Olona tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika ka olona afaka miady hevitra tsara amin’izy ireo no mahavita hanavotra ny Malagasy. Ilaina ihany koa ny fananana tetikasa matotra ary tsy hala-tahaka be fahatany tahaka ny misy amin’ireo kandida sasany te hampandry adrisa fotsiny ireo. Paikady mitombina tsara sy azo tanterahina anatin’ny fotoana fohy no ilaina ary tsy ilana olona taitaitra sy misamboaravoara fotsiny. Ao koa ny fahaizana ny toekarena sy ny maha teknisianina izay hita ho lesoka hatrany eto Madagasikara ka miteraka tsy fandrosoana. Tsy adala ny vahoaka Malagasy ary mahafantatra tsara fa nisy olona efa nahavita azy teto ary mahafeno ny fepetra rehetra izay nopotehin’ireo mpanongam-panjakana ary mbola ezahany takonana hatrany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.