Ambony be ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara amin’izao fotoana. 400 000 hatramin’ny 500 000 eo ho eo ny tanora mivoaka amin’ny fampianarana isan-taona saingy tsy maharaka ny tsenan’ny asa ka mahatonga ireo tsy an’asa marobe.
Ny 84%-n’ny mponina miasa eo amin’ny firenena afrikanina anefa dia misehatra amin’ny tsy ara-dalàna avokoa. Taratra mihitsy izany eto Madagasikara satria iaraha-mahita fa lavitry ny fandoavan-ketra avokoa, raha tsy hilaza afa tsy ireo mpivarotra amoron-dalana, ireo mpamboly sy mpiompy madinika izay tena maro be. Tsy mba miteraka vola be koa anefa izany fa rehefa velona sy miaina amin’ny isan’androny fotsiny ny Malagasy dia efa mety sy ampy aminy. Ankoatra izay, ny sehatra indostria dia mbola hita ny tsy fivoarany eto amin’ny firenena ary ambany dia ambany ny famokarana sy ny fanondranana. Mila vahàna ny olana raha te ho tojo amin’ny fampandrosoana ary misy hatrany ny vahaolana tokony hatao ho laharam-pahamehana. Efa lazaina ombieny ny fanaovana vaindohan-draharaha ny tontolo ambanivohitra satria ireo no maro an’isa saingy toy ny miantso an-tany an’efitra hatrany hatreto ny tantsaha. Ankoatra izay, ilaina hatrany ny politikan’ny famokarana sy ny fananganana indostria eto Madagasikara hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa indrindra indrindra. Mbola maro be ny ezaka tokony hatao amin’ny lafiny ara-toekarena ary izany no tsy maintsy ilaina amin’ny fametrahana izay tokony ho laharam-pahamehana hanavotana haingana ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.