Aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara dia ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa.
Tsy maintsy miainga amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana Malagasy ny ezaka ho fanomezana asa ny tanora. Tokony ho maro, araka izany, ireo fikambanana mpanao asa soa ho an’ireo zaza sahirana amin’ny lafiny fampianarana eto amin’ny firenena ary hitohy hatramin’ny fampidirana azy ireny mihitsy amin’ny tontolon’ny asa. Mila tezaina sy volavolaina dieny mbola eny amin’ny sehatra fanabeazana ihany koa anefa ny tanora ka tokony ho tsapany sahady fa hahavelon-tena azy io fianarana rantoviny io rahatrizay. Matetika mantsy ampirisihina fotsiny ny tanora hianatra mafy hahavita ny fianarany fa tsy ampy mihitsy ny fanentanana azy hahay hampidi-bola na hanao fandraharahana. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny ray aman-dreny, ny mpanabe ary ny fitondram-panjakana hanova tanteraka ny politikam-pampianarana eto Madagasikara mba tsy ho fahazarana be fahatany fotsiny. Tombony ihany koa ny fanofanana arak’asa izay mila ampiroboroboana satria tsy ampy mihitsy izany eto amin’ny firenena. Rehefa mandeha araka ny tokony ho izy ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa ny tanora izay mifamatotra dia ho mora ho azy amin’i Madagasikara ny mandroso.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.