Dossier

Famotsiam-bola Andrasana ny fandaniana ny lalàna


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

I Madagasikara dia efa ela no nanasonia ny fifanarahana mahakasika ny fanenjehana famotsiam-bola.

 

 

 Izany no nahatonga ny rafitra miady amin`ny kolikoly sy famotsiam-bola napetraka tamin`ny taona 2004 sy 2005, izany hoe efa ela no tokony hapetraka ireny zavatra ireny. Ity lalàna farany ity no ahafahana mameno ny rafitra rehetra. Hitantsika fa ny fitsarana misahana ny ady amin`ny kolikoly  na “Chaine penale anti-corruption” dia efa niova “pole anti-corruption » ary efa mipetraka daholo ny rafitra vaovao. Efa tafapetraka ny eto Antananarivo ary mametraka ny any Toamasina sy any amin`ny renivohi-paritany ao aoriana ao. Araka izany, io lalàna io sisa no tsy mahafeno an`ilay fepetra takian`ilay fifanarahana iraisam-pirenena. Antony mantsy, rehefa hita fa misy kolikoly natao na nisy famotsiam-bola natao dia io lalàna io ihany no ahafahan`ny fanjakana malagasy mitazona, manageja ary mamerina ilay tombontsoa azo tamin`ny alalan`ny kolikoly na famotsiam-bola. Efa tamin`ny taon-dasa no napetraka teo anivon`ny antenimieram-pirenena ilay volavolan-dalàna fa tsy nodinihana mihitsy. Misy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena fa misy koa ny tombontsoa ambonin`ny firenena: na mandeha ny fandinihana ny volavolan-dalàna, afaka hahitsy ireo solombavambahoaka ihany ny andininy izay heverina mihoatra tokony ho izy na tsy manaja ny fahafahana sy fahalalana ary ny zon`ny olombelona ao anatin`ny fandaniana ilay lalàna ka tokony haroso ihany amin`ny fivoriana ara-potoana faharoa amin`ny herinandro ambony.  Ankoatra izay, tokony hodinihana ihany koa ny hahatomombana ara-dalàna tsara ny resaka fifidianana hatramin`ny fihodinana faharoa. Tsy latsa-danja ihany koa ny filaminam-bahoaka satria hitantsika fa betsaka ny fanararaotana na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra na any amin`ny faritra rehetra any mba hampisy izay tsy fikorontanana izay manoloana ny fanatanterahana izay fifidianana izay. Tsy hay adinoina ihany koa ny sosialim-bahoaka satria ny vidim-piainana, ny vidin`ireo akora fampiasa amin`ny andavanandro, na ny solika… miakatra foana dia tokony hodinihana. Antenaina fa tsy ho variana amin`ny fampielezan-kevitra ny depiote na dia manomana ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara fa mba hanao vaindohan-draharaha ny fiainam-pirenena ihany koa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT