Dossier

Famotehana an’i Madagasikara Azo toherina tsara


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Mandeha hatrany ny fanapotehana moramora an’i Madagasikara. Miainga amin’ny fanimbana ny sehatra fampianarana izany ary mipaka hatrany amin’ny toekarena iray manontolo mihitsy.

 

Raha ny eto an-tanàna anefa dia iaraha-mahalala fa izay mafy orina amin’ny sehatra maro ihany no manjakazaka. Ireo izay manam-bola izao dia afaka mampiteny ny volany amin’ny fanaovana kolikoly ary afaka mividy olona hanaraka azy mihitsy. Ao indray koa ry zareo be basy izay zary lasa fitaovana anaovana herim-pamoretana ka na te-haneho hevitra ary ny maro dia voasakana hatrany. Ny sasany indray dia mampiasa ny sandriny sy ny mokondohany fotsiny ary mieritreritra fa izy mihitsy no tompon’i Madagasikara. Ny hafa moa dia manao lainga tsara lahatra amin’ny fampiasana ny vavany ary samy milaza ho mahavita fahagagana hanavotana ity firenena mahantra ity. Amin’izany rehetra izany no tokony hahamalina tsara satria efa mifangaro voraka ny vary sy ny tsiparifary. Misy mantsy ireo olona tena manana hevitra sy finiavana tsara hampandroso an’i Madagasikara saingy takonan’ireo be tsy andraofana mpihinana volam-bahoaka fotsiny ireo. Mila mahay mijery sy mandinika tsara indrindra manoloana izao fanomanana fifidianana izao ny rehetra. Betsaka indray mantsy no mbola te hitsentsitra hatrany ny harem-pirenena amin’ny alalan’ny hevi-petsy sy ny fandrebirebena. Tanjona ny fanarenana sy fampandrosoana  ary mila miova toe-tsaina, fomba fanao, olona mihitsy ny firenena ka ilaina fandraisan’andraikitra avy amin’ny rehetra izany  indrindra ireo tanora izay hoavin’i Madagasikara.   

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT