Dossier

Famoronana na fanafoanana vola taratasy Miankina amin’ny zava-misy amin’ny firenena


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Arakaraka ny zava-misy amin’ny firenena no handraisana fanapahan-kevitra amin’ny famoronana na fanafoanana ny vola taratasy mivezivezy.

 

Ny olana fotsiny rehefa misy ny fahalanian’ireny vola mivezivezy ireny (coupure) dia miantraika mivantana amin’ny banky ary manahirana ny olona. Nilaza ny governoran’ny Banky foibe tamin’ny fotoana nivoahan’ny vola vaovao mitambatra 20 000 Ar fa tena ilaina io amin’ny toekarena misy amin’izao fotoana. Ary novinavinaina fa tsy hiteraka akony ratsy amin’ny toekarena tahaka ny fidangan’ny vidim-piainana tamin’ny fotoan’androny. Tany Inde, ohatra, dia nesorina tsy hivezivezy intsony ny vola  500 sy ny 1000 roupies (230 000 Ariary sy 460 000 Ariary eo ho eo)  tamin’ny novambra 2016 mba hiadiana amin’ny halatra ara-ketra ary ho fampiroboroboana ny “Mobile banking”. Tahak’izany ihany koa no nitranga tamin’ny volana mey 2016 izay nanapahan’ny banky foibe eoropeanina hevitra ny amin’ny fanajanonana ny vola 500 Euros mitambatra noho ny fanahiana ny amin’ny mety ho fahalanian’io vola io ka hiteraka fitomboan’ny asa na sehatra tsy ara-dalàna maro be. Ny famoronana vola vaovao 20 000 francs tamin’ny taona 2015 tany Guinée dia neritreretina hitondra vokatra tsara saingy niteraka fidangan’ny vidim-piainana ary nampihena ny vola vahiny niditra. Amin’ity farany no mampanontany tena sao dia izany koa no mahazo an’i Madagasikara amin’izao vidim-piainana miakatra mandrakariva izao. Misy ny paikady apetraky ny fanjakana ny amin’ny ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana kanefa hita ho tsy mahomby ka sao mila andraisana andraikitra ireny fanapahan-kevitra miantraika mivantana amin’ny toekarena ireny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT