Dossier

Famoronana asa eto Madagasikara Ilaina ny fiaraha-mientan’ny fanjakana sy ny tsy miankina


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Lasibatry ny tsy fananana asa ny ankamaroan’ny tanora indrindra ireo tsy nahita fianarana eto Madagasikara.

 

 

 Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia an’aliny maro no very asa nefa hatramin’izao dia tsy nisy politika mazava nataon’ny fanjakana hampiroboroboana ny fampananana asa. 15% be izao ny tahan’ny tsy fananan’asa (taux de chômage) eto Madagasikara ary ireo tanora no maro an’isa amin’izany, 3,5% ho an’ireo latsaky 25 taona  araka ny tatitry ny birao maneran-tany ho an’ny asa (B.I.T). Nanambara ny mpahay toekarena iray fa 5 hatramin’ny 10 taona vao tena misy akony mivaingana amin’ny toekarena ny famoronana asa atao. Eto Madagasikara dia saika mirona amin’ny asa kely tsy nianarana sy tsy niofanana manokana ary tsy ilana mari-pahaizana ny ankamaroan’ny tanora. Betsaka aza moa ny asa nataon’ny ray aman-dreniny teo aloha ihany no nodimbiasany. Olana eto amin’ny firenena ihany koa ny fivangongoan’ny asa aty an-tanàn-dehibe kanefa lafo ny fiainana an-drenivohitra ary tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana ny karama kely raisina. Araka izany dia ny any ambanivohitra no tena maro tsy an’asa satria lavitra fotodrafitrasa sy orinasa. Noho izany rehetra izany dia tokony ho laharam-pahamehana ny fitadiavam-bahaolana amin’ireo tsy manana asa maro be eto amin’ny firenena. Mila jerena ihany koa ny kalitaon’ny fampianarana ambony ary ampifanarahana amin’ny zavatra takian’ny orinasa izay misy ny fianarana indrindra ny any amin’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana. Misy amin’ireo orinasa mantsy no tena sahirana rehefa mampiditra mpiasa satria tsy mahafeno ny fepetra ireo mpitady asa ka mitady olona any ivelany mihitsy aza ny sasany, indrindra ny amin’ny lafiny fitantanana orinasa. Tsy maintsy hamafisina ihany koa ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina orinasa. Mila manao hetsika ny Fanjakana tahaka ny hoe raha mandray tanora iray vao nahavita fianarana ny orinasa iray dia mba omena tombony kely ara-ketra ka mba tsy mandoa hetra alaina amin’ny karama (IRSA) aloha mandritra ny fotoana fampiofanana mandrapahitana vokatra amin’ilay mpiasa.    

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT