Mampitaraina ny mponina ny fahatarana ara-pandrosoana mianjady amin’ny distrikan’i Brickaville ankehitriny.
Nitotongana tanteraka ny fari-piainana ao an-toerana noho ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa sy orinasa ary miteraka tsy fandriampahalemana mitarazoka, hoy izy ireo. Tsy voavaha, hatramin’izao, ny olana ara-pihariana zakain’ny vahoakan’ny distrikan’i Brickaville. Tranga faramparany nahenoana io toerana io ny fitakiana nataon’ny mpiasan’ny orinasa mpanodina siramamy tao an-toerana, herinandro vitsy izay. Voaantso hamaha olana tao amin’io orinasa ao Maromamy-Brickaville io, noho izany, ny ben’ny tanànan’Anivorano-Est, Mamitiana Razafinantoanina, noho ny fangatahan’ireo mpiasa mpanelanelana to teny ao amin’ny Faritra. Nohazavainy tamin’ny an-kolafy voakasiky ny olana ny lanjan’ity orinasa mpamokatra siramamy ity tao amin’io distrika io hatramin’izay ka tokony hitandrovana ny fisiany. Novakian’ny ben’ny tanàna Mamitiana Razafinantoanina bantsilana tao fa vokatry asan’ireo olom-boafidy ny olana manjo an’i Brickaville. « Tsy miezaka hamaha olana mihitsy ny tokony hiandraikitra izany ho fitsinjovana ny vahoaka satria tsy mahafantatra ny momba ny distrika ary tsy manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ao noho ny tsy fananany rohy aminy », hoy izy. Nampanantena ny hikaroka ny fomba rehetra handravonana ny olana ao anivon’ny orinasa ity ben’ny tanàna ity, hamerenana ny tanjaka nahafantarana an’i Brickaville hatramin’izay satria tsy vahaolana ny fanakatonana orinasa, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.