Dossier

Famokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo Azo trandrahana tsara eto Madagasikara


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Ny mangahazo no sakafo hohanina sy vokarin’ny Malagasy aorian’ny vary ary rariny raha tokony hojerena manokana ny ho tokony fampandrosoana ny fambolena azy.

 Ankoatra ny fahafahana mihinana azy mivantana dia azo ahodina atao lafarinina  na ravitoto ny mangahazo. Io lafarinina vita aminy io matetika dia ampiasaina amin’ireny fanamboarana mofo isan-karazany ireny, indrindra azo atao sakafon-kisoa. Manatsara sy mampatavy ny biby haingana io araka ny resadresaka natao tamin’Atoa Berthin mpivarotra ambongadiny. Mahavantana ny tantsaha mpiompy ny mividy azy ary saika efa mpanjifa raikitra avokoa no mankato aminay hoy izy. Ampiarahina amin’ny apombo ihany anefa io lafarinina vita amin’ny mangahazo io. Mividy mangahazo any am-potony mihitsy i Mr Berthin ary 400 hatramin’ny 500 Ariary eo ho eo no fakany azy. Rehefa izay dia izy ihany no mamadika azy ho lafarinina nohon’ny fananany fitaovana amin’izany. 40 taonina isaky ny mividy ary matetika isaky ny 4 na 5 volana eo ho eo izy no mividy izany. Raha ny any ambanivohitra dia manodidina ny 95% n'ny fianakaviana no mamboly mangahazo ary tena mihinana mihitsy rehefa amin’ny vanim-potoana tsy fiakaran’ny vary. Maro ny vokatra saingy tokony hisy hatrany ny tetikasa aminy resaka famadihana ny mangahazo ho zavatra hafa tahaka ny lafarinina io indrindra indrindra. Olana hatrany ny tsy fananana ozinina manokana manao izany kanefa sehatra tena efa tokony hanatsara ny fambolena izany.
 
Tsiry
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT