Orinasa iray any avaratr’i Sina no nakatona satria mamokatra etona simika antsoina hoe “CFC-11”, izay heverin’ny manampahaizana ara-tsiantifika maneran-tany fa manimba ny sosona ozona (couche d` ozone).
Ny gazy CFC-11 dia voasokajy ho tena mahery vaika ary voamarina ara-tsiantifika satria afaka mijanona mandritry ny 50 taona eny amin’ny habakabaka. Arak’izany, midika fandikàna ny fifanekena iraisam-pirenena ny famokarana azy. Ny taona 1987, dia nisy fifanarahana iraisam-pirenena, “Protocole de Montreal”, nosoniavina mba hiadiana amin’ ity gazy CFC ity. Voalaza ao anatin` ny lalàmpanorenan' i Montreal, fa ny famokarana CFC dia nifarana tamin'ny taona 2010. Marihana fa ny firenena Sinoa dia nilaza fa tapitra tamin'ny taona 2007, ny famokaranan’izy ireo izany, kanefa ankehitriny dia mbola misy orinasa mpamokatra any an-toerana hatramin’izao. Hatramin’ny taona 2013, nitombo 7000 taonina isan-taona ny famokarana ity entona mahery vaika ity, hoy ny mpahay siansa iray izay miketrika manokana mahakasika azy ity, ny alarobia lasa teo. Ho fisorohana ny fianak’ ity entona simika ity dia tsy maintsy arahan’ny siantifika maso akaiky manomboka izao, ireo ozonina lehibe any China izay mpamokatra entona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.