Hisintonana ary hampitomboina ireo mpizahatany no tanjona hametrahana ny e-visa.
Mba hahatrarana izany dia tsy maintsy omena fiofanana ireo polisy miasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny seranan-tsambo. Voakasika ihany koa ireo polisy misahana ny sisintany Ireo polisy manamarina ireo mpizahatany mivezivezy amin’ny fisavana ny visa. Miisa 15 izy ireo no nahazo fiofanana tamin’ny faran’ny herinandro teo ary tanjona ny hahafehezana ity teknolojia vaovao ity satria efa saika manaraka ny evisa avokoa ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Vinavinaina miisa 200 kosa ireo polisy voaofana mandritra ny 2 taona ary efa 36 izao no nahazo fiofanana hatreto. Tsiahivina fa. natao indrindra ho an’ireo mpizahatany mitsidika vetivety an’i Madagasikara ny e-visa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.