Dossier

Famerenana ny hasin`ny fitsarana Mila midina ifotony ny tompon’andraikitra


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Tsy mahatoky ny rafim-pitsarana intsony ny vahoaka ankehitriny. Hita sy re etsy sy eroa fa marefo ny Fitsarana eto Madagasikara.

 

 Maro ny antony mahatonga izany toy ny kolikoly… Mila manao filamatra ny Ministeran`ny Fitsarana. Azo atao tsara ny mamerina ny hasin`ny fitsarana raha ny nambaran`ny mpitsara iray. Mila miezaka midina ifotony sy  manao karazana “tournèe judiciaire” ny Ministera sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon`ny Fitsarana. Tokony mitety faritra indrindra ireny madinika ireny ny fampanaovana sy ny filohan`ny tribonaly manazava ny asan`ny fitsarana ohatra isam-bolana. Mila hazavaina foana ny didy sy ny antony nandraisana izany fanapahana izany. Misy ohatra didy milaza fa tsy ampy ny porofo amina dosie satria tany amin`ny zandary dia efa maivana be ny vesatra. Mila hazavaina ny vesatra sy ny porofo vao avela ho afaka ilay olona nampangaina fa tsy midika fa afaka madiodio. Amin`ny andavanandro, ny mpitsara tokony manantona vahoaka, maka fanapahan-kevitra mifanandrify an`izay. Mahakasika ny raharaha tao Morondava, azo sorohina tsara ny tranga nisy tany an-toerana. Na misy porofo na tsy misy porofo, rehefa mety hisy « trouble à l`ordre public »dia tokony nampidirana aloha ilay olona ary azo nafindra fitsarana hafa vao nomena famohana vonjimaika avy eo, hoy ihany ny fanazavana. Mbola mikorontana any an-toerana amin`izao fotoana izao ary tokony handamina ny vahoaka ny raiaman-dreny ara-drazana sy am-panahy ary ireo ministra sy tomponandrikitra avy any amin`ity faritra ity. Marihana fa ny tsy fahatokisan`ny vahoaka ny fitsarana sy ny olan` ny barazy ao Dabaraha no fototry ny olana. Raha ny zava-misy eto Madagasikara, ahiana tsy ho voafehy ny tsy fandriampahalemana. Marihana fa ny herinandro lasa teo, nisy tranga toy izao tany Fianarantsoa; Mpanara-dia omby, 200 hatramin`ny 300 lahy nirongo basy tafiditra tao amin`ny tampon`ny tanàna saingy nafenina ireo tomponandraikitra any an-toerana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT