Hitondra tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ny fampidinana ny fikirakirana ny vola amin’ny sehatra rehetra, hoy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra,
Ramarolahy Christian satria dia hilatsaka ny tahan’ny vola avoaka amin’ny fanamboarana vola taratasy. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny tale jeneralin’ny paositra malagasy sy ny tale jeneraly telo teo anivon’ny minisiteran’ny rano, ny angovo ary ny akoranafo. Hiitatra amin’ny faktiora sy ny vola tokony haloa rehetra amin’ireo sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny rano, ny angovo ary ny akoranafo izany ka tsy hisy intsony ny fikirakirana vola amin’ireo sampandraharaha ireo manomboka ny taona 2020. Tahaka izany ihany koa ireo tolotra fanome ho an’ny mpiasa eo anivon’ny minisitera kanefa tsy hisy ny fiovana amin’ny vola raisina satria maimaimpoana ny fandefasana vola ary mirary ihany koa ny saran’ny karatra . Ny paositra money no hanefana ireo vola tokony haloa rehetra ireo raha ny tatitra avy amin’ny minisitry ny rano, ny angovo ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga. Tsiahivina fa nampandroso be an’i Kenya ny fampihenana ny fikirakirana vola nataony tamin’ny taona 2007. Tsy vitan’ny nitondra fandriampahalemana fa nanatsara mihitsy ny toekarena izany. Hiezaka hampiditra izany tsikelikely i Madagasikara.
Tsirinasolo
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.