Dossier

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Ny minisitry ny jono teo aloha Augustin Andriamananoro no nanao sonia ny fahazoan-dalàna manao fikarohana sy andrana fambolena Algue rouge ho an’ireo sinoa tany Vohemar.

 

 

 Tsy misy ny mpanara-maso ireo mpandraharaha vahiny ireo amin’izao ary manampa-pahefana sy manambaka ireo tompontany. Trandrahana amin’ny fomba tsy ara-drariny ny haren’ny Malagasy ary tsy mampiditra hetra araka ny tokony ho izy ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana akory izy ireo. Manao antso avo ireo mponina any an-toerana amin’ny tokony hanokafana fanadihadiana sy handraisana fepetra haingana avy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary jono manoloana ny fanararaotana sy fambotriana ny Malagasy, indrindra ho an’ireo mivelona amin’ny jono izay lasibatra amin’ny ataon’ireto Sinoa. Tsy manana fahazoan-dalana hitrandraka sy hanodina akory ilay orinasa sinoa any kanefa efa nahatafapetraka fotodrafitrasa mihitsy hikirakirana “Algue rouge”. Any amin’ny helo-dranon’Iharana any Vohemar no misy ilay toerana. Tsiahivina fa andrana amin’ny fambolena Algue Rouge amina velarany voafetra ihany no tao anatin’ny taratasy fahazoan-dalan’ireo sinoa ireo ary izao hitarin’izy ireo amin’ny fomba tsy ara-dalàna izao. Ankoatra izay dia tsy avelan’izy ireo miasa sy manjono eo amin’ity fari-dranomasina ity ny mponina. Tandindonin-doza, araka izany, ny vokatra avy amin’ny jono ao Vohemar satria hihena izany ary efa tsy mahavita manaraka ny filana maro avy amin’ny faritra intsony ireo mpanjono.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT