Manafatra vary fotsy 200 000 taonina eo i Madagasikara isan-taona. Izany hoe raha mampiakatra voka-bary ny Malagasy ka mahatratra 500 000 taonina amin’ity taona dia efa tratra ny filana ary misy ambim-bava.
Tokony hihazona foana io tanjona io amin’ny taona rehetra ho avy mba hanentsina ny nohafarana sy hitohizan’ny ambim-bava. Raha tratra ny ezaka dia tokony hanana vary akotry 1 tapitrisa taonina i Madagasikara amin’ny taona 2020. Tsy tratra anefa io tanjona io raha tsy mampiasa ny teknika vaovao manaraka ny toetrandro ny Malagasy izay isika ihany no nahita azy, araka ny nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny fambolem-bary eto Madagasikara, Atoa Willy Rakotomalala. Ao anatin’izany ny voly vary maro anaka (SRI), ilay fomba fambolem-bary nalaina tamin’ny fomba Japoney saingy atao amin’ny maha izy antsika. Fa ny tena mila ilofosana ihany koa dia ny fomba fitantanana ny vokatra miakatra (gestion post-récolte). 15% be izao ny vokatra miakatra very noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana mifehy. Mila mifototra tanteraka amin’ny fomba fambolena manaraka ny toetrandro i Madagasikara ary mila mampihatra sy mianatra ny tantsaha mba ho tombony. Ankoatra ny fampiasana zezika sy ireo teknika maro dia lesoka ary mila ezaka be amin’ny tantsaha ihany koa ny fampiasana ny masomboly voafantina. Etsy an-daniny, anjaran’ny fanjakana kosa ny manatsara ny fitantanana ny fotodrafitrasa manodidina ny sehatra fambolena. Eo ihany koa ny fijerena sy filofosana ny amin’ireo lemaka madinika izay manome 80% amin’ny tanimbary eto Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.