Miakatra amina antanantohatra hafa mihitsy ny krizin-tsolika ankehitriny.
Nanamafy indray mantsy ny minisitera tompon’andraikitra sy ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo na ny OMH omaly fa mahasahana ny filan’ny mponina tsara ny tahirin-tsolika amin’izao fotoana izao. Fepetra noraisin’ny fanjakana niarahana tamin’ireo mpandraharaha ny solika eto Madagasikara, hoy izy ny tsy maintsy hampiharana ny fampakarana ny tahirin-tsolika ho 21 andro, izay tsy nihatra hatramin’izay na dia efa tafiditra tao anaty bokin’andraikitra aza. Eo ihany koa ny fitaterana ny solika sy ny fampitomboana ny sambo mpitatitra solika amin’ireo sisin-tanin’i Madagasikara izay atao ho vaindohan-draharaha araka ny fanazavana hatrany. Nisy ny fanadihadiana lalina natao koa dia tsikaritra ny tandrevaka ary nilatsaka avy hatrany ny sazy : mandoa lamandy 120 tapitrisa Ariary ny logistique pétrolière LPSA, 60 tapitrisa Ariary avy ny an’ny Total sy Shell. Mitotaly 240 tapitrisa Ariary ny vola lamandy ho an’ny fanjakana noho ny fahadisoana izay nataon’ireto kaompanian-tsolika sy ny LPSA raha ny tatitra. Anisan’ny tena nahitana lesoka be ny teo anivon’ny LPSA sy ireo kaompanian-tsolika 2 ireo nandritra iny herinandro nampikorontana ny famatsiana solika iny raha ny nambaran’ny minisitra Vonjy Andriamanga, ary rariny izao fandraisana fepetra izao.
Ahoana ny tohiny ?
Ny nahagaga dia omaly alatsinainy vao namoaka io fanapahan-kevitra io ny fitondram-panjakana, kanefa ny zoma hariva dia efa nanambara fa nisy tokoa ny fahadisoana teo amin’ireo mpandraharaha ny solika, izay nihaona tamin’ny filoham-pirenena. Nahoana no tsy tonga dia navoaka tamin’iny zoma hariva iny ny fepetra sy sazy fa niandry alatsinainy ? Ary raha izay tokoa ny fanapahan-kevitra, moa va manana vahaolana mahomby tokoa ny fitondram-panjakana fa tsy sanatria mbola hiverina indray ny olana amin’ny fitsinjarana ny solika any amin’ny tobin-dasantsy ? Azo antoka mantsy fa tsy hipetra-potsiny ireo orinasa voasazy ireo (LPSA, Total, Shell) ; ka mampanahy ny hoe hisy fiantraikany lalina any amin’ny fiainam-bahoaka ny adivarotra avo lenta eo amin’izy ireo sy ny fitondram-panjakana. Tantara mitohy !
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.