Dossier

Famatsiana herinaratra Ny fampiasana angovo azo havaozina no tena vahaolana


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Misitraka herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro na « système solaire photovoltÏque manana tanjaka 11KWc mitentina 31 000 euros ny Tranoben’ny minisiteran’ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo na ny MEEH eny Ampandrianomby nanomboka omaly.

 

 

Ankoatra ny takelaka lehibe dia misy ny fanazavana anatiny sy ivelany. Mampihena ny fandaniana herinaratra avy amin’ny Jirama ampiasaina ao amin’ny ivontoeram-pitantanana ankapoben’ny angovo io. Io tetikasa io izay nampisalorana ny anarana hoe :”Projet de demonstration” io, dia novatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola, ary ny UE-COI Energies kosa no nanatanteraka ny asa teo ambany fiahian’ny Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina. Manampy betsaka amin’ny tetikasa mifandraika amin’ny angovo azo havaozina ny programa UE-COI Energies, ka anisan’ny hisitraka izany ny any Sarobaratra, Akamasoa, Itasy. Eo ihany koa ny Biogaz any Ambilobe, Ambanja, indrindra ny IOSnet iarahana amin’ny Méteo Malagasy. Irosoana eto Madagasikara amin’izao ny fiampitana tsimoramora mankany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ny atrik’asa roa andro tetsy amin’ny Hotely Colbert ny 23-24 oktobra teo, dia nentina nankatoavana ny tetikasa momba ny paikady rejionaly ho amin’izany. Nanantitrantitra omaly ny minisitry ny angovo fa vahaolana maharitra amin’ny olan’ny angovo eto Madagasikara ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina ary ireo tooeram-pamokarana herinaratra vaovao haorina dia hifantoka amin’izany mba hialana amin’ny fampiasana solika.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT